시편 2편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 12절
- 1 Nahoana no mitabataba ny jentilisa, ary misaina anoano foana ny firenena?
- 2 Ireo mpanjakan’ ny tany mitsangana, Ary ny mpanapaka miara-mioko hanohitra an’ i Jehovah sy ny Mesiany ka manao hoe:
- 3 “Aoka hotosantsika ny famatorany, ka hariantsika hiala amintsika ny famehezany.”
- 4 Izay mipetraka any an-danitra mihomehy, ny Tompo maneso ireo.
- 5 Dia hiteny azy amin’ ny fahavinirany Izy ka hampangorohoro azy amin’ ny fahatezerany hoe:
- 6 “Izaho kosa efa nanendry ny Mpanjakako Tambonin’ i Ziona, tendrombohitro masìna.”
- 7 “Hilaza zava-boatendry Aho; Jehovah nilaza tamiko hoe: Zanako Hianao, Izaho niteraka anao androany.
- 8 Mangataha amiko, dia homeko ho lovanao ny jentilisa ary ny faran’ ny tany ho fanananao.
- 9 Hotorotoroinao amin’ ny tehim-by izy: toy ny famaky vilany tany no hanamontsamontsananao azy.”
- 10 Ary amin’ izany dia hendre ianareo, ry mpanjaka; minoa anatra ianareo, ry mpitsaran’ ny tany.
- 11 Manompoa an’ i Jehovah amin’ ny fahatahorana, ary mifalia amin’ ny fangovitana.
- 12 Manoroha ny zanaka, fandrao ho tezitra izy, ka ho very eny an-dalana ianareo; fa vetivety dia hirehitra ny fahatezerany. Sambatra izay rehetra mialoka aminy.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗