시편 2편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 12절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Nahoana no mitabataba ny jentilisa, ary misaina anoano foana ny firenena? | Why do the heathen rage, and the people imagine a vain thing? |
| 2 | Ireo mpanjakan’ ny tany mitsangana, Ary ny mpanapaka miara-mioko hanohitra an’ i Jehovah sy ny Mesiany ka manao hoe: | The kings of the earth set themselves, and the rulers take counsel together, against the Lord, and against his anointed, saying, |
| 3 | “Aoka hotosantsika ny famatorany, ka hariantsika hiala amintsika ny famehezany.” | Let us break their bands asunder, and cast away their cords from us. |
| 4 | Izay mipetraka any an-danitra mihomehy, ny Tompo maneso ireo. | He that sitteth in the heavens shall laugh: the Lord shall have them in derision. |
| 5 | Dia hiteny azy amin’ ny fahavinirany Izy ka hampangorohoro azy amin’ ny fahatezerany hoe: | Then shall he speak unto them in his wrath, and vex them in his sore displeasure. |
| 6 | “Izaho kosa efa nanendry ny Mpanjakako Tambonin’ i Ziona, tendrombohitro masìna.” | Yet have I set my king upon my holy hill of Zion. |
| 7 | “Hilaza zava-boatendry Aho; Jehovah nilaza tamiko hoe: Zanako Hianao, Izaho niteraka anao androany. | I will declare the decree: the Lord hath said unto me, Thou art my Son; this day have I begotten thee. |
| 8 | Mangataha amiko, dia homeko ho lovanao ny jentilisa ary ny faran’ ny tany ho fanananao. | Ask of me, and I shall give thee the heathen for thine inheritance, and the uttermost parts of the earth for thy possession. |
| 9 | Hotorotoroinao amin’ ny tehim-by izy: toy ny famaky vilany tany no hanamontsamontsananao azy.” | Thou shalt break them with a rod of iron; thou shalt dash them in pieces like a potter’s vessel. |
| 10 | Ary amin’ izany dia hendre ianareo, ry mpanjaka; minoa anatra ianareo, ry mpitsaran’ ny tany. | Be wise now therefore, O ye kings: be instructed, ye judges of the earth. |
| 11 | Manompoa an’ i Jehovah amin’ ny fahatahorana, ary mifalia amin’ ny fangovitana. | Serve the Lord with fear, and rejoice with trembling. |
| 12 | Manoroha ny zanaka, fandrao ho tezitra izy, ka ho very eny an-dalana ianareo; fa vetivety dia hirehitra ny fahatezerany. Sambatra izay rehetra mialoka aminy. | Kiss the Son, lest he be angry, and ye perish from the way, when his wrath is kindled but a little. Blessed are all they that put their trust in him. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL