로그인

시편 3편 Baiboly Malagasy (1865)

Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 8절

  1. 2 Jehovah ô, akory izato hamaroan’ ny mampahory ahy! Maro no mitsangana hanohitra ahy.
  2. 3 Maro no milaza ny fanahiko hoe: tsy manam-pamonjena amin’ Andriamanitra izy. [Sela.]
  3. 4 Kanjo Hianao, Jehovah ô, no ampinga manodidina ahy, Voninahitro sy mpanandratra ny lohako.
  4. 5 Amin’ ny feoko no iantsoako an’ i Jehovah, ary any an-tendrombohiny masìna no mamaly ahy Izy.
  5. 6 Izaho nandry ka natory; nifoha aho, satria Jehovah no manohana ahy. [Sela.]
  6. 7 Tsy hatahotra olona alinalina aho, izay milahatra manodidina hamely ahy.
  7. 8 Mitsangàna, Jehovah ô; vonjeo aho, Andriamanitro ô; fa efa namely ny takolaky ny fahavaloko rehetra Hianao; ny nifin’ ny ratsy fanahy novakivakinao.
  8. 9 An’ i Jehovah ny famonjena; Ho amin’ ny olonao anie ny fitahianao. [Sela.]

Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗