시편 1편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 6절
- 1 Sambatra ny olona izay tsy mandeha eo amin’ ny fisainan’ ny ratsy fanahy, ary tsy mijanona eo amin’ ny lalana falehan’ ny mpanota, ary tsy mipetraka eo amin’ ny fipetrahan’ ny mpaniratsira;
- 2 Fa ny lalàn’ i Jehovah no sitrany; eny ny lalàny no saintsaininy andro aman’ alina.
- 3 Dia tahaka ny hazo ambolena eo amoron’ ny rano velona izy, izay mamoa amin’ ny fotoany, ny raviny koa tsy mba malazo; ary ny asany rehetra dia ataony lavorary avokoa.
- 4 Fa tsy mba toy izany ny ratsy fanahy fa toy ny akofa aelin’ ny rivotra izy.
- 5 Ary noho izany ny ratsy fanahy dia tsy hahajanona eo amin’ ny fitsarana, na ny mpanota eo amin’ ny fiangonan’ ny marina.
- 6 Fa fantatr’ i Jehovah ny lalan’ ny marina, fa ny lalan’ ny ratsy fanahy kosa dia mankany amin’ ny fahaverezana.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗