로그인

창세기 5장 Baiboly Malagasy (1865)

Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 창세기 (Genesis) · 32절

  1. 1 Ity no boky milaza ny taranak’ i Adama: Tamin’ ny andro namoronan’ Andriamanitra ny olona dia tahaka ny tarehin’ Andriamanitra no nanaovany azy;
  2. 2 lahy sy vavy no namoronany azy; dia nitahy azy Izy ka nanao ny anarany hoe Adama tamin’ ny andro namoronany azy.
  3. 3 Ary rehefa telo-polo amby zato taona ny andro niainan’ i Adama, dia niteraka tahaka ny tarehiny, araka ny endriny izy; ary ny anarany nataony hoe Seta.
  4. 4 Ary ny andron’ i Adama taorian’ ny niterahany an’ i Seta dia valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
  5. 5 Ary ny andro rehetra niainan’ i Adama dia telo-polo amby sivin-jato taona; dia maty izy.
  6. 6 Ary rehefa dimy amby zato taona ny andro niainan’ i Seta, dia niteraka an’ i Enosy izy.
  7. 7 Ary ny andro niainan’ i Seta taorian’ ny niterahany an’ i Enosy dia fito amby valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
  8. 8 Ary ny andro rehetra niainan’ i Seta dia roa ambin’ ny folo amby sivin-jato taona; dia maty izy;
  9. 9 Ary rehefa sivi-folo taona ny andro niainan’ i Enosy, dia niteraka an’ i Kenana izy.
  10. 10 Ary ny andro niainan’ i Enosy taorian’ ny niterahany an’ i Kenana dia dimy ambin’ ny folo amby valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy;
  11. 11 Ary ny andro rehetra niainan’ i Enosy dia dimy amby sivin-jato taona; dia maty izy.
  12. 12 Ary rehefa fito-polo taona ny andro niainan’ i Kenana, dia niteraka an’ i Mahalalila izy.
  13. 13 Ary ny andro niainan’ i Kenana taorian’ ny niterahany an’ i Mahalalila dia efa-polo amby valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
  14. 14 Ary ny andro rehetra niainan’ i Kenana dia folo amby sivin-jato taona; dia maty izy.
  15. 15 Ary rehefa dimy amby enim-polo taona ny andro niainan’ i Mahalalila, dia niteraka an’ i Jareda izy.
  16. 16 Ary ny andro niainan’ i Mahalalila taorian’ ny niterahany an’ i Jareda dia telo-polo amby valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
  17. 17 Ary ny andro rehetra niainan’ i Mahalalila dia dimy amby sivi-folo amby valon-jato taona; dia maty izy.
  18. 18 Ary rehefa roa amby enim-polo amby zato taona ny andro niainan’ i Jareda dia niteraka an’ i Enoka izy.
  19. 19 Ary ny andro niainan’ i Jareda taorian’ ny niterahany niterahany an’ i Enoka dia valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
  20. 20 Ary ny andro rehetra niainan’ i Jareda dia roa amby enim-polo amby sivin-jato taona; dia maty izy.
  21. 21 Ary rehefa dimy amby enim-polo taona ny andro niainan’ i Enoka, dia niteraka an’ i Metosela izy.
  22. 22 Ary niara-nandeha tamin’ Andriamanitra telon-jato taona Enoka taorian’ ny niterahany an’ i Metosela; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
  23. 23 Ary ny andro rehetra niainan’ i Enoka dia dimy amby enim-polo amby telon-jato taona.
  24. 24 Ary niara-nandeha tamin’ Andriamanitra Enoka; ka tsy hita izy, fa nentin’ Andriamanitra.
  25. 25 Ary rehefa fito amby valo-polo amby zato taona ny andro niainan’ i Metosela, dia niteraka an’ i Lameka izy.
  26. 26 Ary ny andro niainan’ i Metosela taorian’ ny niterahany an’ i Lameka dia roa amby valo-polo amby fiton-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
  27. 27 Ary ny andro rehetra niainan’ i Metosela dia sivy amby enim-polo amby sivin-jato taona; dia maty izy.
  28. 28 Ary rehefa roa amby valo-polo amby zato taona ny andro niainan’ i Lameka, dia niteraka zazalahy izy;
  29. 29 ary ny anarany nataony hoe Noa, fa hoy izy: Ity no hampionona antsika amin’ ny asantsika sy ny fisasaran’ ny tanantsika noho ny tany izay voaozon’ i Jehovah.
  30. 30 Ary ny andro niainan’ i Lameka taorian’ ny niterahany an’ i Noa dia dimy amby sivi-folo amby diman-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
  31. 31 Ary ny andro rehetra niainan’ i Lameka dia fito amby fito-polo amby fiton-jato taona; dia maty izy.
  32. 32 Ary rehefa diman-jato taona Noa, dia niteraka an’ i Sema sy Hama ary Jafeta izy.

Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗