창세기 5장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 창세기 (Genesis) · 32절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Ity no boky milaza ny taranak’ i Adama: Tamin’ ny andro namoronan’ Andriamanitra ny olona dia tahaka ny tarehin’ Andriamanitra no nanaovany azy; | This is the book of the generations of Adam. In the day that God created man, in the likeness of God made he him; |
| 2 | lahy sy vavy no namoronany azy; dia nitahy azy Izy ka nanao ny anarany hoe Adama tamin’ ny andro namoronany azy. | Male and female created he them; and blessed them, and called their name Adam, in the day when they were created. |
| 3 | Ary rehefa telo-polo amby zato taona ny andro niainan’ i Adama, dia niteraka tahaka ny tarehiny, araka ny endriny izy; ary ny anarany nataony hoe Seta. | And Adam lived an hundred and thirty years, and begat a son in his own likeness, after his image; and called his name Seth: |
| 4 | Ary ny andron’ i Adama taorian’ ny niterahany an’ i Seta dia valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy. | And the days of Adam after he had begotten Seth were eight hundred years: and he begat sons and daughters: |
| 5 | Ary ny andro rehetra niainan’ i Adama dia telo-polo amby sivin-jato taona; dia maty izy. | And all the days that Adam lived were nine hundred and thirty years: and he died. |
| 6 | Ary rehefa dimy amby zato taona ny andro niainan’ i Seta, dia niteraka an’ i Enosy izy. | And Seth lived an hundred and five years, and begat Enos: |
| 7 | Ary ny andro niainan’ i Seta taorian’ ny niterahany an’ i Enosy dia fito amby valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy. | And Seth lived after he begat Enos eight hundred and seven years, and begat sons and daughters: |
| 8 | Ary ny andro rehetra niainan’ i Seta dia roa ambin’ ny folo amby sivin-jato taona; dia maty izy; | And all the days of Seth were nine hundred and twelve years: and he died. |
| 9 | Ary rehefa sivi-folo taona ny andro niainan’ i Enosy, dia niteraka an’ i Kenana izy. | And Enos lived ninety years, and begat Cainan: |
| 10 | Ary ny andro niainan’ i Enosy taorian’ ny niterahany an’ i Kenana dia dimy ambin’ ny folo amby valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy; | And Enos lived after he begat Cainan eight hundred and fifteen years, and begat sons and daughters: |
| 11 | Ary ny andro rehetra niainan’ i Enosy dia dimy amby sivin-jato taona; dia maty izy. | And all the days of Enos were nine hundred and five years: and he died. |
| 12 | Ary rehefa fito-polo taona ny andro niainan’ i Kenana, dia niteraka an’ i Mahalalila izy. | And Cainan lived seventy years, and begat Mahalaleel: |
| 13 | Ary ny andro niainan’ i Kenana taorian’ ny niterahany an’ i Mahalalila dia efa-polo amby valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy. | And Cainan lived after he begat Mahalaleel eight hundred and forty years, and begat sons and daughters: |
| 14 | Ary ny andro rehetra niainan’ i Kenana dia folo amby sivin-jato taona; dia maty izy. | And all the days of Cainan were nine hundred and ten years: and he died. |
| 15 | Ary rehefa dimy amby enim-polo taona ny andro niainan’ i Mahalalila, dia niteraka an’ i Jareda izy. | And Mahalaleel lived sixty and five years, and begat Jared: |
| 16 | Ary ny andro niainan’ i Mahalalila taorian’ ny niterahany an’ i Jareda dia telo-polo amby valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy. | And Mahalaleel lived after he begat Jared eight hundred and thirty years, and begat sons and daughters: |
| 17 | Ary ny andro rehetra niainan’ i Mahalalila dia dimy amby sivi-folo amby valon-jato taona; dia maty izy. | And all the days of Mahalaleel were eight hundred ninety and five years: and he died. |
| 18 | Ary rehefa roa amby enim-polo amby zato taona ny andro niainan’ i Jareda dia niteraka an’ i Enoka izy. | And Jared lived an hundred sixty and two years, and he begat Enoch: |
| 19 | Ary ny andro niainan’ i Jareda taorian’ ny niterahany niterahany an’ i Enoka dia valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy. | And Jared lived after he begat Enoch eight hundred years, and begat sons and daughters: |
| 20 | Ary ny andro rehetra niainan’ i Jareda dia roa amby enim-polo amby sivin-jato taona; dia maty izy. | And all the days of Jared were nine hundred sixty and two years: and he died. |
| 21 | Ary rehefa dimy amby enim-polo taona ny andro niainan’ i Enoka, dia niteraka an’ i Metosela izy. | And Enoch lived sixty and five years, and begat Methuselah: |
| 22 | Ary niara-nandeha tamin’ Andriamanitra telon-jato taona Enoka taorian’ ny niterahany an’ i Metosela; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy. | And Enoch walked with God after he begat Methuselah three hundred years, and begat sons and daughters: |
| 23 | Ary ny andro rehetra niainan’ i Enoka dia dimy amby enim-polo amby telon-jato taona. | And all the days of Enoch were three hundred sixty and five years: |
| 24 | Ary niara-nandeha tamin’ Andriamanitra Enoka; ka tsy hita izy, fa nentin’ Andriamanitra. | And Enoch walked with God: and he was not; for God took him. |
| 25 | Ary rehefa fito amby valo-polo amby zato taona ny andro niainan’ i Metosela, dia niteraka an’ i Lameka izy. | And Methuselah lived an hundred eighty and seven years, and begat Lamech: |
| 26 | Ary ny andro niainan’ i Metosela taorian’ ny niterahany an’ i Lameka dia roa amby valo-polo amby fiton-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy. | And Methuselah lived after he begat Lamech seven hundred eighty and two years, and begat sons and daughters: |
| 27 | Ary ny andro rehetra niainan’ i Metosela dia sivy amby enim-polo amby sivin-jato taona; dia maty izy. | And all the days of Methuselah were nine hundred sixty and nine years: and he died. |
| 28 | Ary rehefa roa amby valo-polo amby zato taona ny andro niainan’ i Lameka, dia niteraka zazalahy izy; | And Lamech lived an hundred eighty and two years, and begat a son: |
| 29 | ary ny anarany nataony hoe Noa, fa hoy izy: Ity no hampionona antsika amin’ ny asantsika sy ny fisasaran’ ny tanantsika noho ny tany izay voaozon’ i Jehovah. | And he called his name Noah, saying, This same shall comfort us concerning our work and toil of our hands, because of the ground which the Lord hath cursed. |
| 30 | Ary ny andro niainan’ i Lameka taorian’ ny niterahany an’ i Noa dia dimy amby sivi-folo amby diman-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy. | And Lamech lived after he begat Noah five hundred ninety and five years, and begat sons and daughters: |
| 31 | Ary ny andro rehetra niainan’ i Lameka dia fito amby fito-polo amby fiton-jato taona; dia maty izy. | And all the days of Lamech were seven hundred seventy and seven years: and he died. |
| 32 | Ary rehefa diman-jato taona Noa, dia niteraka an’ i Sema sy Hama ary Jafeta izy. | And Noah was five hundred years old: and Noah begat Shem, Ham, and Japheth. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL