창세기 4장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 창세기 (Genesis) · 26절
- 1 Ary Adama nahalala an’ i Eva vadiny; dia nanan’ anaka Eva ka niteraka an’ i Kaina, ary hoy izy: Efa nahazo zazalahy tamin’ i Jehovah aho.
- 2 Ary niteraka an’ i Abela rahalahiny koa izy. Ary Abela dia mpiandry ondry, fa Kaina kosa mpiasa tany.
- 3 Ary rehefa afaka elaela, dia nitondran’ i Kaina ny vokatry ny tany ho fanatitra ho an’ i Jehovah;
- 4 fa nitondran’ i Abela kosa ny voalohan-terak’ ondriny, dia izay matavy. Ary Jehovah nankasitraka an’ i Abela mbamin’ ny fanatiny;
- 5 fa Kaina mbamin’ ny fanatiny kosa tsy mba nankasitrahany. Dia tezitra indrindra Kaina, sady nanjombona ny tarehiny.
- 6 Ary hoy Jehovah tamin’ i Kaina: Nahoana no tezitra ianao? Ary nahoana no manjombona ny tarehinao?
- 7 Raha tsara toetra ianao, moa tsy ho miramirana va? Fa raha tsy tsara toetra kosa ianao, dia mamitsaka eo am-baravarana ny ota; ary ianao no kendren’ ny faniriany, kanefa ianao no tokony hanapaka azy.
- 8 Ary Kaina niteny tamin’ i Abela rahalahiny; ary nony tany an-tsaha izy mirahalahy, dia nitsangana Kaina nanatona an’ i Abela rahalahiny, ka namono azy.
- 9 Ary hoy Jehovah tamin’ i Kaina: Aiza Abela rahalahinao? Fa hoy izy: Asa; moa mpitandrina ny rahalahiko va aho?
- 10 Ary hoy Izy: Inona no nataonao? Ny feon’ ny ran’ ny rahalahinao mitaraina amiko avy amin’ ny tany.
- 11 Ary ankehitriny dia voaozona ianao hiala amin’ ny tany onenana, izay nivava hitelina ny ran’ ny rahalahinao nalatsaky ny tananao.
- 12 Raha miasa ny tany ianao, tsy mba hahavokatra ho anao intsony izy; ho mpanjenjena sy mpirenireny eny ambonin’ ny tany ianao.
- 13 Dia hoy Kaina tamin’ i Jehovah: Lehibe ny valin’ ny heloko mihoatra noho izay zakako.
- 14 Indro, efa noroahinao hiala amin’ ny tany onenana aho androany; dia hiery ny tavanao aho ary ho mpanjenjena sy mpirenireny eny ambonin’ ny tany; koa na iza na iza hahita ahy dia hamono ahy.
- 15 Ary hoy Jehovah taminy: Noho izany na iza na iza hamono an’ i Kaina, dia hovaliana fito eny izy. Ary Jehovah nanao famantarana ho an’ i Kaina; mba tsy hisy hamono azy izay rehetra hahita azy.
- 16 Ary Kaina dia niala teo anatrehan’ i Jehovah ka nonina tao amin’ ny tany Noda tandrifin’ i Edena.
- 17 Ary Kaina nahalala ny vadiny, dia nanan’ anaka ravehivavy ka niteraka an’ i Enoka; ary nanorina vohitra Kaina, ka ny anaran’ ny vohitra dia nataony hoe Enoka, araka ny anaran’ ny zananilahy.
- 18 Ary Enoka niteraka an’ Irada; ary Irada niteraka an’ i Mehojaela; ary Mehojaela niteraka an’ i Metosaela; ary Metosaela niteraka an’ i Lameka.
- 19 Ary Lameka nampirafy roa: ny anaran’ ny anankiray Ada, ary ny anaran’ ny anankiray Zila.
- 20 Ary Ada niteraka an’ i Jabala; izy no rain’ ny mpitoetra an-day, mpiandry omby aman’ ondry.
- 21 Ary ny anaran’ ny rahalahiny dia Jobala; izy no rain’ ny mpitendry lokanga sy mpitsoka sodina rehetra.
- 22 Ary Zila kosa niteraka an’ i Tobala-kaina, mpanefy fiasana maranitra, na varahina na vy; ary ny anabavin’ i Tobala-kaina dia Nama.
- 23 Ary hoy Lameka tamin’ ny vadiny: Ry Ada sy Zila ô, mihainoa ny feoko; Ry vadin’ i Lameka, mitandrema ny teniko: Efa namono lehilahy aho noho ny feriko, Ary tovolahy noho ny faharatrako.
- 24 Raha valiana fito heny izay mamono an’ i Kaina, Dia fito amby fito-polo heny kosa izay mamono an’ i Lameka.
- 25 Ary Adama nahalala ny vadiny indray, ka dia niteraka zazalahy ravehivavy; ary ny anarany nataony hoe Seta; fa Andriamanitra, hoy izy, efa nanome ahy zanaka anankiray koa ho solon’ i Abela, satria novonoin’ i Kaina izy.
- 26 Ary Seta koa niteraka zazalahy; ary ny anarany nataony hoe Enosy.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗