시편 91편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 16절
- 1 Ny mitoetra ao amin’ ny fierena izay an’ ny Avo Indrindra Dia monina eo ambanin’ ny aloky ny Tsitoha.
- 2 Izaho hilaza an’ i Jehovah hoe: Fialofako sy batery fiarovana ho ahy Izy Ary Andriamanitro, Izay hitokiako.
- 3 Fa Izy no hanafaka anao amin’ ny fandriky ny mpihaza sy ny areti-mandoza.
- 4 Ny volon’ elany no anaronany anao, Ary ao ambanin’ ny elany no hialofanao; Ho ampinga kely sy ampinga lehibe ny fahamarinany.
- 5 Tsy hatahotra ny horohoro nony alina ianao, Na ny zana-tsipìka manidina nony andro,
- 6 Na ny areti-mandringana mandeha amin’ ny maizina, Na ny fandringanana mandripaka amin’ ny mitataovovonana.
- 7 Na dia hisy arivo aza lavo eo anilanao sy iray alina eo an-kavananao, Dia tsy hihatra aminao izany
- 8 Hijery maso fotsiny ianao, Ka ho hitanao ny hamaliana ny ratsy fanahy.
- 9 Satria hoy ianao: Jehovah ô, Hianao no aroko, Sady nataonao ho fonenanao ny Avo Indrindra,
- 10 Dia tsy hisy loza hanjo anao, Na aretina hanakaiky ny lainao.
- 11 Fa Izy handidy ny anjeliny ny aminao Mba hiaro anao eny amin’ izay rehetra halehanao.
- 12 Eny an-tànany no hitondran’ ireo anao, Fandrao ho tafintohina amin’ ny vato ny tongotrao.
- 13 Ny liona masiaka sy ny vipera hodiavinao; Ny liona tanora sy ny menarana no hohitsahinao.
- 14 Satria Izaho no niraiketan’ ny fitiavany, Dia hamonjy azy Aho, Hanandratra azy ho any amin’ ny avo Aho, satria mahalala ny anarako izy
- 15 Hiantso Ahy izy, dia hamaly azy Aho; Ho eo aminy Aho, raha ory izy; Hamonjy sy hanome voninahitra azy Aho.
- 16 Hovokisako fahela-velona izy Ary hasehoko azy ny famonjeko.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗