시편 92편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 15절
- 2 Tsara ny hidera an’ i Jehovah Sy ny hankalaza ny anaranao, ry Avo Indrindra ô,
- 3 Ary hanambara ny famindram-ponao nony maraina Sy ny fahamarinanao nony alina,
- 4 Amin’ ny valiha tory folo Sy amin’ ny feon-dokanga.
- 5 Fa ampifalinao amin’ ny nataonao aho Jehovah ô; Ny asan’ ny tananao no hihobiako.
- 6 Jehovah ô, akory ny halehiben’ ny asanao! Lalina indrindra ny fisainanao.
- 7 Ny ketrina tsy mahafantatra izany, Ary ny adala koa tsy mba mahalala.
- 8 Raha mitsiry tahaka ny ahitra ny ratsy fanahy, Ary mamony ny mpanao ratsy rehetra, Dia izany no ho fandringanana azy mandrakizay.
- 9 Nefa Hianao, Jehovah ô, dia avo mandrakizay.
- 10 Fa, indreo, ny fahavalonao, Jehovah ô, Fa, indreo, ringana ny fahavalonao; Mihahaka ny mpanao ratsy rehetra.
- 11 Fa ny tandroko kosa asandratrao ho tahaka ny an’ ny ombimanga; Mihosotra diloilo vaovao aho.
- 12 Ary faly ny masoko mahita ny amin’ ny fahavaloko, Ary finaritra ny sofiko mandre ny amin’ ny ratsy fanahy izay efa mitsangana hamely ahy.
- 13 Ny marina hamololona tahaka ny rofia; Hisandrahaka tahaka ny sedera any Libanona izy;
- 14 Efa nambolena tao an-tranon’ i Jehovah izy Ka maniry eo an-kianjan’ Andriamanitsika;
- 15 Mbola manorobona ihany izy, na dia efa antitra aza; Dofodofotra sy maitso izy,
- 16 Mba hanambara fa mahitsy Jehovah, Vatolampiko Izay tsy misy tsiny.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗