시편 90편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 17절
- 1 Tompo ô, efa fonenanay hatramin’ ny taranaka rehetra Hianao.
- 2 Fony tsy mbola ary ny tendrombohitra, Na voaforonao ny tany sy izao rehetra izao, Dia Andriamanitra Hianao hatramin’ ny taloha indrindra ka mandrakizay.
- 3 Mamerina ny olona ho amin’ ny vovoka Hianao Ka manao hoe: Miverena, ry zanak’ olombelona.
- 4 Fa eo imasonao ny arivo taona dia toy ny fandalon’ ny omaly, Ary tahaka ny fotoam-piambenana iray amin’ ny alina.
- 5 Manindao azy tahaka ny riaka Hianao torimaso izy; Amin’ ny maraina tahaka ny ahitra mora miova izy.
- 6 Amin’ ny maraina mamony izy, nefa mora miova; Amin’ ny hariva voajinja izy ka maina.
- 7 Fa lanin’ ny fahatezeranao izahay, Ary raiki-tahotra noho ny fahaviniranao.
- 8 Ny helokay efa nataonao teo anatrehanao, Ary ny fahotanay miafina teo amin’ ny fahazavan’ ny tavanao.
- 9 Fa ny androanay rehetra efa lasa amin’ ny fahatezeranao; Efa laninay toy ny eritreritra ny taonanay.
- 10 Fito-polo taona no andron’ ny taonanay Ary raha tàhiny mateza aza, dia valo-polo taona, Nefa fahasasarana sy zava-poana ny voninahiny, Fa mihelina faingana izany, ka lasa manidina izahay.
- 11 Iza no mahafantatra ny herin’ ny fahatezeranao sy ny fahaviniranao Araka izay tokony ho fahatahorana Anao?
- 12 Mampianara anay hanisa ny andronay, Hahazoanay fo hendry.
- 13 Miverena, Jehovah ô! Mandra-pahoviana? Ary mba aneneno ny amin’ ny mpanomponao.
- 14 Vokiso ny famindram-ponao nony maraina izahay, Mba hihobianay sy hifalianay amin’ ny andro rehetra hiainanay.
- 15 Mampifalia anay araka ny andro nampahorianao anay Sy ny taona nahitanay loza.
- 16 Aoka hiseho amin’ ny mpanomponao ny asanao, Ary ny voninahitrao amin’ ny zanany.
- 17 Ary aoka ho aminay ny fahasoavan’ ny Tompo Andriamanitray; Ary ampitoero aminay ny asan’ ny tananay; Eny, ny asan’ ny tananay, ampitoero izy.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗