시편 91편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 16절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Ny mitoetra ao amin’ ny fierena izay an’ ny Avo Indrindra Dia monina eo ambanin’ ny aloky ny Tsitoha. | He that dwelleth in the secret place of the most High shall abide under the shadow of the Almighty. |
| 2 | Izaho hilaza an’ i Jehovah hoe: Fialofako sy batery fiarovana ho ahy Izy Ary Andriamanitro, Izay hitokiako. | I will say of the Lord, He is my refuge and my fortress: my God; in him will I trust. |
| 3 | Fa Izy no hanafaka anao amin’ ny fandriky ny mpihaza sy ny areti-mandoza. | Surely he shall deliver thee from the snare of the fowler, and from the noisome pestilence. |
| 4 | Ny volon’ elany no anaronany anao, Ary ao ambanin’ ny elany no hialofanao; Ho ampinga kely sy ampinga lehibe ny fahamarinany. | He shall cover thee with his feathers, and under his wings shalt thou trust: his truth shall be thy shield and buckler. |
| 5 | Tsy hatahotra ny horohoro nony alina ianao, Na ny zana-tsipìka manidina nony andro, | Thou shalt not be afraid for the terror by night; nor for the arrow that flieth by day; |
| 6 | Na ny areti-mandringana mandeha amin’ ny maizina, Na ny fandringanana mandripaka amin’ ny mitataovovonana. | Nor for the pestilence that walketh in darkness; nor for the destruction that wasteth at noonday. |
| 7 | Na dia hisy arivo aza lavo eo anilanao sy iray alina eo an-kavananao, Dia tsy hihatra aminao izany | A thousand shall fall at thy side, and ten thousand at thy right hand; but it shall not come nigh thee. |
| 8 | Hijery maso fotsiny ianao, Ka ho hitanao ny hamaliana ny ratsy fanahy. | Only with thine eyes shalt thou behold and see the reward of the wicked. |
| 9 | Satria hoy ianao: Jehovah ô, Hianao no aroko, Sady nataonao ho fonenanao ny Avo Indrindra, | Because thou hast made the Lord, which is my refuge, even the most High, thy habitation; |
| 10 | Dia tsy hisy loza hanjo anao, Na aretina hanakaiky ny lainao. | There shall no evil befall thee, neither shall any plague come nigh thy dwelling. |
| 11 | Fa Izy handidy ny anjeliny ny aminao Mba hiaro anao eny amin’ izay rehetra halehanao. | For he shall give his angels charge over thee, to keep thee in all thy ways. |
| 12 | Eny an-tànany no hitondran’ ireo anao, Fandrao ho tafintohina amin’ ny vato ny tongotrao. | They shall bear thee up in their hands, lest thou dash thy foot against a stone. |
| 13 | Ny liona masiaka sy ny vipera hodiavinao; Ny liona tanora sy ny menarana no hohitsahinao. | Thou shalt tread upon the lion and adder: the young lion and the dragon shalt thou trample under feet. |
| 14 | Satria Izaho no niraiketan’ ny fitiavany, Dia hamonjy azy Aho, Hanandratra azy ho any amin’ ny avo Aho, satria mahalala ny anarako izy | Because he hath set his love upon me, therefore will I deliver him: I will set him on high, because he hath known my name. |
| 15 | Hiantso Ahy izy, dia hamaly azy Aho; Ho eo aminy Aho, raha ory izy; Hamonjy sy hanome voninahitra azy Aho. | He shall call upon me, and I will answer him: I will be with him in trouble; I will deliver him, and honour him. |
| 16 | Hovokisako fahela-velona izy Ary hasehoko azy ny famonjeko. | With long life will I satisfy him, and shew him my salvation. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL