시편 9편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 20절
- 2 Hidera an’ i Jehovah amin’ ny foko rehetra aho; hanambara ny fahagaganao rehetra aho.
- 3 Ho faly sy ho ravoravo aminao aho; hankalaza ny anaranao aho ry Avo Indrindra ô,
- 4 Satria lasa nihodina ny fahavaloko, nirepirepy izy ka ringana tsy ho eo anatrehanao.
- 5 Fa efa nitsara ahy Hianao ka nanome ahy ny rariny; mipetraka eo amin’ ny seza fitsaranao Hianao ho Mpitsara marina.
- 6 Efa nanarinao mafy ny jentilisa, efa naringanao ny ratsy fanahy, ny anarany efa nokosehinao ho faty mandrakizay doria.
- 7 Ny amin’ ny fahavalo, dia tanteraka ho mandrakizay ny fandravàna azy; ary izay tanàna efa noravanao, dia very na dia ny fahatsiarovana azy aza.
- 8 Kanefa Jehovah mitoetra mandrakizay, efa nametraka ny sezany hitsarany Izy,
- 9 Ary Izy hitsara izao tontolo izao amin’ ny fahamarinana, eny hitsara ny firenena amin’ ny fahitsiana Izy.
- 10 Ka dia Jehovah no ho fiarovana avo ho an’ ny mahantra, ho fiarovana avo amin’ ny andro fahoriana Izy.
- 11 Ary hatoky Anao izay mahalala ny anaranao; fa tsy foinao izay mitady Anao, Jehovah ô.
- 12 Mankalazà an’ i Jehovah, Izay mitoetra any Ziona; ambarao any amin’ ny firenena ny asany.
- 13 Fa izay manadin-drà dia mahatsiaro ny ory; tsy manadino ny fitarainany Izy.
- 14 Mamindrà fo amiko, Jehovah ô; mitsinjova ny fahoriako avy amin’ izay mankahala ahy, Ry Mpanandratra ahy ho afaka amin’ ny vavahadin’ ny fahafatesana,
- 15 Mba holazaiko avokoa ny fideràna Anao rehetra; eo am-bavahadin’ i Ziona zanakavavy no hifaliako amin’ ny famonjenao.
- 16 Ny jentilisa efa latsaka tamin’ ny lavaka izay nohadiny, ny fandrika harato izay nafeniny efa nahazo ny tongony,
- 17 Jehovah efa nanao izay mampiseho ny tenany ho Mpitsara; namandrika ny ratsy fanahy tamin’ ny asan’ ny tànany Izy.
- 18 Hiverina ho any amin’ ny fiainan-tsi-hita ny ratsy fanahy, dia ny jentilisa rehetra izay manadino an’ Andriamanitra.
- 19 Fa tsy ho mandrakizay no hanadinoana ny malahelo; ary tsy ho very mandrakizay ny fanantenan’ ny mahantra.
- 20 Mitsangàna, Jehovah ô, aoka tsy hahery ny olona; aoka hotsaraina eo anatrehanao ny jentilisa.
- 21 Asio fampahatahorana izy, Jehovah ô; aoka ho fantatry ny jentilisa fa olona ihany izy. [Sela.]
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗