시편 9편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 20절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | — | I will praise thee, O Lord, with my whole heart; I will shew forth all thy marvellous works. |
| 2 | Hidera an’ i Jehovah amin’ ny foko rehetra aho; hanambara ny fahagaganao rehetra aho. | I will be glad and rejoice in thee: I will sing praise to thy name, O thou most High. |
| 3 | Ho faly sy ho ravoravo aminao aho; hankalaza ny anaranao aho ry Avo Indrindra ô, | When mine enemies are turned back, they shall fall and perish at thy presence. |
| 4 | Satria lasa nihodina ny fahavaloko, nirepirepy izy ka ringana tsy ho eo anatrehanao. | For thou hast maintained my right and my cause; thou satest in the throne judging right. |
| 5 | Fa efa nitsara ahy Hianao ka nanome ahy ny rariny; mipetraka eo amin’ ny seza fitsaranao Hianao ho Mpitsara marina. | Thou hast rebuked the heathen, thou hast destroyed the wicked, thou hast put out their name for ever and ever. |
| 6 | Efa nanarinao mafy ny jentilisa, efa naringanao ny ratsy fanahy, ny anarany efa nokosehinao ho faty mandrakizay doria. | O thou enemy, destructions are come to a perpetual end: and thou hast destroyed cities; their memorial is perished with them. |
| 7 | Ny amin’ ny fahavalo, dia tanteraka ho mandrakizay ny fandravàna azy; ary izay tanàna efa noravanao, dia very na dia ny fahatsiarovana azy aza. | But the Lord shall endure for ever: he hath prepared his throne for judgment. |
| 8 | Kanefa Jehovah mitoetra mandrakizay, efa nametraka ny sezany hitsarany Izy, | And he shall judge the world in righteousness, he shall minister judgment to the people in uprightness. |
| 9 | Ary Izy hitsara izao tontolo izao amin’ ny fahamarinana, eny hitsara ny firenena amin’ ny fahitsiana Izy. | The Lord also will be a refuge for the oppressed, a refuge in times of trouble. |
| 10 | Ka dia Jehovah no ho fiarovana avo ho an’ ny mahantra, ho fiarovana avo amin’ ny andro fahoriana Izy. | And they that know thy name will put their trust in thee: for thou, Lord, hast not forsaken them that seek thee. |
| 11 | Ary hatoky Anao izay mahalala ny anaranao; fa tsy foinao izay mitady Anao, Jehovah ô. | Sing praises to the Lord, which dwelleth in Zion: declare among the people his doings. |
| 12 | Mankalazà an’ i Jehovah, Izay mitoetra any Ziona; ambarao any amin’ ny firenena ny asany. | When he maketh inquisition for blood, he remembereth them: he forgetteth not the cry of the humble. |
| 13 | Fa izay manadin-drà dia mahatsiaro ny ory; tsy manadino ny fitarainany Izy. | Have mercy upon me, O Lord; consider my trouble which I suffer of them that hate me, thou that liftest me up from the gates of death: |
| 14 | Mamindrà fo amiko, Jehovah ô; mitsinjova ny fahoriako avy amin’ izay mankahala ahy, Ry Mpanandratra ahy ho afaka amin’ ny vavahadin’ ny fahafatesana, | That I may shew forth all thy praise in the gates of the daughter of Zion: I will rejoice in thy salvation. |
| 15 | Mba holazaiko avokoa ny fideràna Anao rehetra; eo am-bavahadin’ i Ziona zanakavavy no hifaliako amin’ ny famonjenao. | The heathen are sunk down in the pit that they made: in the net which they hid is their own foot taken. |
| 16 | Ny jentilisa efa latsaka tamin’ ny lavaka izay nohadiny, ny fandrika harato izay nafeniny efa nahazo ny tongony, | The Lord is known by the judgment which he executeth: the wicked is snared in the work of his own hands. Higgaion. Selah. |
| 17 | Jehovah efa nanao izay mampiseho ny tenany ho Mpitsara; namandrika ny ratsy fanahy tamin’ ny asan’ ny tànany Izy. | The wicked shall be turned into hell, and all the nations that forget God. |
| 18 | Hiverina ho any amin’ ny fiainan-tsi-hita ny ratsy fanahy, dia ny jentilisa rehetra izay manadino an’ Andriamanitra. | For the needy shall not alway be forgotten: the expectation of the poor shall not perish for ever. |
| 19 | Fa tsy ho mandrakizay no hanadinoana ny malahelo; ary tsy ho very mandrakizay ny fanantenan’ ny mahantra. | Arise, O Lord; let not man prevail: let the heathen be judged in thy sight. |
| 20 | Mitsangàna, Jehovah ô, aoka tsy hahery ny olona; aoka hotsaraina eo anatrehanao ny jentilisa. | Put them in fear, O Lord: that the nations may know themselves to be but men. Selah. |
| 21 | Asio fampahatahorana izy, Jehovah ô; aoka ho fantatry ny jentilisa fa olona ihany izy. [Sela.] | — |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL