시편 10편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 18절
- 1 Jehovah ô, nahoana no mijanona eny lavitra eny Hianao ka miery amin’ ny andro fahoriana?
- 2 Noho ny fireharehan’ ny ratsy fanahy dia enjehina mafy ny malahelo; azon’ ny fahendrena nataony izy ireny.
- 3 Ny ratsy fanahy mandoka izay irin’ ny fony; ary ny mpierina mahafoy sy manamavo an’ i Jehovah.
- 4 Ny ratsy fanahy mirehareha hoe: Tsy hanadina Izy; eny, “Tsy misy Andriamanitra” no tontalin-keviny.
- 5 Tanteraka mandrakariva ny alehany; any amin’ ny avo lavitra azy ny fitsarànao; ny mpandrafy azy rehetra dia ataony hoe: zinona ireny?
- 6 Hoy izy am-pony: tsy hangozohozo aho, tsy ho azon-doza mandrakizay doria aho.
- 7 Feno ozona sy fitaka ary fanaovana an-keriny ny vavany; ao ambanin’ ny lelany dia misy fampahoriana sy faharatsiana.
- 8 Mamitsaka amin’ ny fanotrehana ao an-tanàna izy, ao an-katakonana no amonoany ny marina; ny masony mikendry ny mahantra.
- 9 Manotrika ao an-katakonana tahaka ny liona ao amin’ ny famitsahany izy; manotrika hisambotra ny malahelo izy; fandrihany amin’ ny haratony no fisambony ny malahelo.
- 10 Torotoro sy mitanondrika ny mahantra ka lavo amin’ ny herin’ ny ratsy fanahy.
- 11 Hoy izy anakampony: efa nanadino Andriamanitra, efa nanafina ny tavany Izy ka tsy hahita mandrakizay.
- 12 Mitsangàna, Jehovah ô; Andriamanitra ô, atsangano ny tananao, aza manadino ny ory.
- 13 Nahoana no mamingavinga an’ Andriamanitra ny ratsy fanahy ka manao anakampo hoe: Tsy hanadina Hianao?
- 14 Efa nahita ihany Hianao, satria mijery fahoriana sy alahelo, mba hovalian’ ny tananao. Hianao no iononan’ ny mahantra; Hianao no Mpamonjy ny kamboty.
- 15 Torotoroy ny sandrin’ ny ratsy fanahy; ary adino ny heloky ny mpanao ratsy mandra-paha-tsy hisy hitanao intsony.
- 16 Jehovah no Mpanjaka mandrakizay doria; voafongotra tsy ho amin’ ny taniny intsony ny jentilisa.
- 17 Efa nohenoinao, Jehovah ô, ny irin’ ny mpandefitra; mampiomana ny fony Hianao sady mampihaino ny sofinao,
- 18 Hanomezanao rariny ny kamboty sy ny mahantra, mba tsy handroso hampitahotra intsony ny zanak’ olombelona etỳ an-tany.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗