로그인

시편 8편 Baiboly Malagasy (1865)

Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 9절

  1. 2 Jehovah, Tomponay ô, endrey ny voninahitry ny anaranao amin’ ny tany rehetra! nataonao eny amin’ ny lanitra ny voninahitrao.
  2. 3 Avy amin’ ny vavan’ ny ankizy madinika sy ny minono no nanorenanao hery noho ny mpandrafy Anao, mba hampanginanao ny fahavalo sy izay ta-hamaly ratsy.
  3. 4 Raha jereko ny lanitrao, izay asan’ ny rantsan-tananao, sy ny volana aman-kintana, izay noforoninao,
  4. 5 Inona moa ny olona, no ahatsiarovanao azy? Ary ny zanak’ olombelona, no amangianao azy?
  5. 6 Fa efa nataonao ambany kely noho Andriamanitra izy, ary efa nosatrohanao voninahitra sy fiandrianana.
  6. 7 Efa nampanjakainao amin’ ny asan’ ny tananao izy; ny zavatra rehetra dia efa nataonao eo ambanin’ ny tongony,
  7. 8 Dia ny ondry aman’ osy sy ny omby rehetra, ary ny bibidia koa,
  8. 9 Mbamin’ ny voro-manidina sy ny hazandrano any an-dranomasina, izay mandeha amin’ ny lalan-dranomasina.
  9. 10 Jehovah Tomponay ô, endrey ny voninahitry ny anaranao amin’ ny tany rehetra!

Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗