시편 87편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 7절
- 1 Ny naorin’ i Jehovah dia ao an-tendrombohitra masìna;
- 2 Ny vavahadin’ i Ziona dia tian’ i Jehovah mihoatra noho ny fonenana rehetra izay an’ i Jakoba.
- 3 Zava-malaza no anambarana anao Ry tanànan’ Andriamanitra. [Sela.]
- 4 Hanonona an-dRahaba sy Babylona Aho ho isan’ izay mahalala ahy; Indro Filistia sy Tyro mbamin’ i Etiopia, Ity no efa teraka teo.
- 5 Ary Ziona hilazana hoe: Ireto sy ireroa samy efa teraka teo; Ary ny Avo Indrindra no mampitoetra azy.
- 6 Jehovah hanisa, raha manoratra ny firenena Izy: Ity no efa teraka teo. [Sela.]
- 7 Hoy izay mihira sy mandihy: Ny loharanoko rehetra dia ao aminao.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗