시편 88편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 18절
- 2 Jehovah ô, Andriamanitry ny famonjena ahy, Andro aman’ alina no itarainako eo anatrehanao;
- 3 Aoka ny fivavako ho tonga eo anatrehanao; Atongilano amin’ ny fitarainako ny sofinao;
- 4 Fa diboka ny fahoriana ny fanahiko; Ary ny aiko manakaiky ny fiainan-tsi-hita.
- 5 Natao ho isan’ izay midìna any an-davaka aho Ary efa tahaka izay tsy manan-kery;
- 6 Efa nafoy ho any amin’ ny maty aho, Tahaka izay voavono, mandry ao am-pasana, Izay tsy tsarovanao intsony, Fa voafongotry ny tananao.
- 7 Efa nametraka ahy any an-davaka ambany indrindra Hianao, Ao amin’ ny maizina, dia ao amin’ ny lalina.
- 8 Ny fahatezeranao manindry ahy mafy, Ary ny alon-dranonao rehetra azeranao amiko. [Sela.]
- 9 Efa nampanalavirinao ahy ny olona nahazatra ahy; Efa nataonao fahavetavetana eo imasony aho; Voahidy aho ka tsy afa-mivoaka.
- 10 Ny masoko efa pahina noho ny fahoriana; Jehovah ô, miantso Anao isan’ andro aho, Mamefy tanana aminao aho.
- 11 Haneho fahagagana amin’ ny maty va Hianao? Ny matoatoa va no hitsangana hidera Anao?
- 12 Hotorina any am-pasana va ny famindram-ponao, Ary ny fahamarinanao any amin’ ny fandringanana?
- 13 Ho fantatra ao amin’ ny maizina va ny fahagagana ataonao, Ary ny fahamarinanao ao amin’ ny tany fanadinoana?
- 14 Fa raha izaho, dia Hianao no itarainako, Jehovah ô; Ary ny fivavako tonga eo anatrehanao nony maraina.
- 15 Jehovah ô, nahoana no manary ny fanahiko Hianao Ka manafina ny tavanao amiko?
- 16 Ory aho ka efa ho faty hatramin’ ny fahazazako; Raha itambesa-ran’ ny fampitahoranao aho, dia very hevitra;
- 17 Manafotra ahy ny fahatezeranao; Matin’ ny fampitahoranao aho;
- 18 Mandifotra ahy mandrakariva tahaka ny rano ireny; Miara-manodidina ahy izy.
- 19 Efa nampanalavirinao ahy ny olona tia ahy sy ny sakaizako; Ireo nahazatra ahy dia fahamaizinana.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗