시편 86편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 17절
- 1 Atongilano ny sofinao, Jehovah ô, ka valio aho, Fa ory sy malahelo.
- 2 Arovy ny fanahiko, fa masìna aho; Andriamanitro ô, vonjeo ny mpanomponao, Izay matoky Anao.
- 3 Tompo ô, mamindrà fo amiko; Fa Hianao no itarainako mandrakariva.
- 4 Ampifalio ny fanahin’ ny mpanomponao; Fa Hianao, Tompo ô, no ananganako ny fanahiko.
- 5 Fa Hianao, Tompo ô, no tsara sady mamela heloka Ary be famindram-po amin’ izay rehetra miantso Anao.
- 6 Mandrenesa ny fivavako, Jehovah ô, Ary henoy ny feon’ ny fifonako.
- 7 Amin’ ny andro fahoriako dia miantso Anao aho, Fa mamaly ahy Hianao.
- 8 Tsy misy tahaka Anao, Tompo ô, amin’ ireo andriamanitra; Ary tsy misy tahaka ny asanao.
- 9 Ny firenena rehetra nataonao dia ho avy hiankohoka eo anatrehanao, Tompo ô, Ka hanome voninahitra ny anaranao.
- 10 Fa lehibe Hianao ka manao zava-mahagaga; Hianao irery ihany no Andriamanitra.
- 11 Ampianaro ny lalanao aho, Jehovah ô, Dia handeha amin’ ny fahamarinanao aho; Ampiraiso ny foko hatahotra ny anaranao.
- 12 Hidera Anao amin’ ny foko rehetra aho, Andriamanitro Tompo ô Hanome voninahitra ny anaranao mandrakizay aho.
- 13 Fa lehibe ny famindram-ponao amiko; Ary efa novonjenao ny fanahiko tsy ho any amin’ ny fiainan-tsi-hita ambany indrindra.
- 14 Andriamanitra ô, ny mpirehareha mitsangana hanohitra ahy, Ary ny antokon’ ny lozabe mitady ny aiko; Ary tsy mba heveriny fa eo anatrehany Hianao.
- 15 Fa Hianao, Tompo ô, dia Andriamanitra mamindrà fo sy miantra, Mahari-po sady be famindram-po sy fahamarinana.
- 16 Todiho aho ka amindrao fo; Omeo ny herinao ny mpanomponao, Ary vonjeo ny zanaky ny ankizivavinao.
- 17 Anehoy famantarana ny ho soa aho, Mba ho hitan’ izay mankahala ahy, ka ho menatra izy; Fa Hianao Jehovah ô, no namonjy sy nampionona ahy.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗