시편 86편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 17절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Atongilano ny sofinao, Jehovah ô, ka valio aho, Fa ory sy malahelo. | Bow down thine ear, O Lord, hear me: for I am poor and needy. |
| 2 | Arovy ny fanahiko, fa masìna aho; Andriamanitro ô, vonjeo ny mpanomponao, Izay matoky Anao. | Preserve my soul; for I am holy: O thou my God, save thy servant that trusteth in thee. |
| 3 | Tompo ô, mamindrà fo amiko; Fa Hianao no itarainako mandrakariva. | Be merciful unto me, O Lord: for I cry unto thee daily. |
| 4 | Ampifalio ny fanahin’ ny mpanomponao; Fa Hianao, Tompo ô, no ananganako ny fanahiko. | Rejoice the soul of thy servant: for unto thee, O Lord, do I lift up my soul. |
| 5 | Fa Hianao, Tompo ô, no tsara sady mamela heloka Ary be famindram-po amin’ izay rehetra miantso Anao. | For thou, Lord, art good, and ready to forgive; and plenteous in mercy unto all them that call upon thee. |
| 6 | Mandrenesa ny fivavako, Jehovah ô, Ary henoy ny feon’ ny fifonako. | Give ear, O Lord, unto my prayer; and attend to the voice of my supplications. |
| 7 | Amin’ ny andro fahoriako dia miantso Anao aho, Fa mamaly ahy Hianao. | In the day of my trouble I will call upon thee: for thou wilt answer me. |
| 8 | Tsy misy tahaka Anao, Tompo ô, amin’ ireo andriamanitra; Ary tsy misy tahaka ny asanao. | Among the gods there is none like unto thee, O Lord; neither are there any works like unto thy works. |
| 9 | Ny firenena rehetra nataonao dia ho avy hiankohoka eo anatrehanao, Tompo ô, Ka hanome voninahitra ny anaranao. | All nations whom thou hast made shall come and worship before thee, O Lord; and shall glorify thy name. |
| 10 | Fa lehibe Hianao ka manao zava-mahagaga; Hianao irery ihany no Andriamanitra. | For thou art great, and doest wondrous things: thou art God alone. |
| 11 | Ampianaro ny lalanao aho, Jehovah ô, Dia handeha amin’ ny fahamarinanao aho; Ampiraiso ny foko hatahotra ny anaranao. | Teach me thy way, O Lord; I will walk in thy truth: unite my heart to fear thy name. |
| 12 | Hidera Anao amin’ ny foko rehetra aho, Andriamanitro Tompo ô Hanome voninahitra ny anaranao mandrakizay aho. | I will praise thee, O Lord my God, with all my heart: and I will glorify thy name for evermore. |
| 13 | Fa lehibe ny famindram-ponao amiko; Ary efa novonjenao ny fanahiko tsy ho any amin’ ny fiainan-tsi-hita ambany indrindra. | For great is thy mercy toward me: and thou hast delivered my soul from the lowest hell. |
| 14 | Andriamanitra ô, ny mpirehareha mitsangana hanohitra ahy, Ary ny antokon’ ny lozabe mitady ny aiko; Ary tsy mba heveriny fa eo anatrehany Hianao. | O God, the proud are risen against me, and the assemblies of violent men have sought after my soul; and have not set thee before them. |
| 15 | Fa Hianao, Tompo ô, dia Andriamanitra mamindrà fo sy miantra, Mahari-po sady be famindram-po sy fahamarinana. | But thou, O Lord, art a God full of compassion, and gracious, longsuffering, and plenteous in mercy and truth. |
| 16 | Todiho aho ka amindrao fo; Omeo ny herinao ny mpanomponao, Ary vonjeo ny zanaky ny ankizivavinao. | O turn unto me, and have mercy upon me; give thy strength unto thy servant, and save the son of thine handmaid. |
| 17 | Anehoy famantarana ny ho soa aho, Mba ho hitan’ izay mankahala ahy, ka ho menatra izy; Fa Hianao Jehovah ô, no namonjy sy nampionona ahy. | Shew me a token for good; that they which hate me may see it, and be ashamed: because thou, Lord, hast holpen me, and comforted me. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL