시편 85편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 13절
- 2 Jehovah ô, efa naneho fitia tamin’ ny taninao Hianao, Efa nampodinao Jakoba avy tamin’ ny fahababoany.
- 3 Voaisotrao ny heloky ny olonao, Voasaronao ny fahotany rehetra. [Sela.]
- 4 Efa nampijanona ny fahatezeranao rehetra Hianao, Ary niala tamin’ ny fahatezeranao mirehitra.
- 5 Miverena aminay, ry Andriamanitry ny famonjena anay ô, Ary ampitsaharo ny fahatezeranao aminay.
- 6 Ho tezitra aminay mandrakizay va Hianao? Hampaharetinao hahatratra ny taranaka fara mandimby va ny fahatezeranao?
- 7 Tsy hovelominao indray va izahay, Mba hifalian’ ny olonao aminao?
- 8 Asehoy anay ny famindram-ponao, Jehovah ô, Ka omeo anay ny famonjenao.
- 9 Hihaino izay holazain’ i Jehovah Andriamanitra aho; Fa hilaza fiadanana amin’ ny olony Izy, dia amin’ ny olony masìna; Koa aoka tsy hiverina ho ao amin’ ny fahadalana ireo.
- 10 Eny tokoa, akaikin’ izay matahotra Azy ny famonjeny, Mba hitoeran’ ny voninahitra eo amin’ ny tanintsika.
- 11 Mihaona ny famindram-po sy ny fahamarinana; Mifanoroka ny rariny sy ny fihavanana.
- 12 Ny fahamarinana mitsimoka amin’ ny tany; Ary ny rariny mitsinjo eny an-danitra.
- 13 Eny, Jehovah hanome ny tsara Ary ny tanintsika hahavoka-javatra.
- 14 Ny rariny no hialoha Azy, Sady hizotra hanaraka ny diany eny an-dalana.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗