로그인

시편 84편 Baiboly Malagasy (1865)

Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 12절

  1. 2 Endrey ny hatsaran’ ny tabernakelinao, Jehovah, Tompon’ ny maro, ô!
  2. 3 Manina sady vonton’ alahelo ny kianjan’ i Jehovah ny fanahiko; ny foko sy ny nofoko mihoby an’ Andriamanitra velona.
  3. 4 Eny, ny tsikirity mahita trano, ary ny sidintsidina mahita akany ho azy hametrahany ny zanany. Dia ny alitaranao, Jehovah, Tompon’ ny maro ô, Mpanjakako sy Andriamanitro.
  4. 5 Sambatra izay mitoetra ao an-tranonao; hidera Anao mandrakariva izy. [Sela.]
  5. 6 Sambatra izay olona manan-kery avy aminao; ao am-pony ny lalana;
  6. 7 Raha mandeha mamaky ny lohasaha Baka izy, Dia ataony misy loharano izany, ary ny loha-orana manarom-pitahiana azy.
  7. 8 Miampy hery eny am-pandehanana izy; samy miseho eo anatrehan’ Andriamanitra any Ziona izy rehetra.
  8. 9 Jehovah, Andriamanitry ny maro ô, henoy ny fivavako; mandrenesa ry Andriamanitr’ i Jakoba ô. [Sela.]
  9. 10 Andriamanitra, Ampinganay ô, tsinjovy ka jereo ny tavan’ ny voahosotrao.
  10. 11 Fa ny indray andro eo an-kianjanao dia tsara noho ny arivo; aleoko mipetraka eo amin’ ny tokonam-baravaran’ ny tranon’ Andriamanitra, toy izay mitoetra ao an-dain’ ny ratsy fanahy.
  11. 12 Fa Masoandro sy Ampinga Jehovah Andriamanitra; fahasoavana sy voninahitra no homen’ i Jehovah; tsy hiaro zava-tsoa amin’ izay mandeha amin’ ny fahitsiana izy.
  12. 13 Jehovah, Tompon’ ny maro ô, sambatra izay olona matoky Anao.

Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗