시편 83편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 18절
- 2 Andriamanitra ô, aza mangìna; aza mihombom-bava Hianao, ary aza mamitsaka, Andriamanitra ô.
- 3 Fa, indro, mitabataba ny fahavalonao; ary izay mankahala Anao dia manandratra ny lohany.
- 4 Ny olonao no iokoany amin’ ny hafetsena; ary miara-misaina hamely izay voafinao izy.
- 5 Hoy izy: Avia, ka andeha hofongorantsika tsy ho firenena izy, mba tsy hotsarovana intsony ny anaran’ Isiraely.
- 6 Fa efa niray tetika tokoa ireo, ka nanao fanekena hanohitra Anao,
- 7 Dia ny lain’ ny Edomita sy ny Isimaelita, ny Moabita sy ny Hagarita,
- 8 Ny Gebalita sy ny Amonita ary ny Amalekita, ny Filistina mbamin’ ny mponina any Tyro.
- 9 Ny Asyriana koa nikambana taminy; tonga sandrin’ ny taranak’ i Lota ireo. [Sela.]
- 10 Ataovy tahaka ny Midiana izy, ary tahaka an’ i Sisera sy Jabina teo amin’ ny ony Kisona;
- 11 Maty tany En-dora ireo; tonga zeziky ny tany izy.
- 12 Ataovy tahaka an’ i Oreba sy Zeba ny mpanapaka azy. Eny, ny andrianany rehetra dia ataovy tahaka an’ i Zebaha sy Zaimona,
- 13 Izay nanao hoe: aoka halaintsika ho antsika ny fonenan’ Andriamanitra.
- 14 Andriamanitro ô, ataovy tahaka ny tadio ireo, dia tahaka ny akofa entin’ ny rivotra,
- 15 Tahaka ny afo mandoro ala sy tahaka ny lelafo mampirehitra tendrombohitra;
- 16 Aoka ho toy izany no anafotofotoanao azy amin’ ny tadionao, sy ampahatahoranao azy amin’ ny tafio-drivotrao.
- 17 Sarony henatra ny tavany, mba hitadiavany ny anaranao, Jehovah ô.
- 18 Aoka ho menatra sy ho amin-tahotra mandrakizay izy; eny, aoka hangaihay sy haringana izy.
- 19 Ary aoka ho fantany fa Hianao irery ihany, Izay atao hoe Jehovah, no ilay Avo Indrindra ambonin’ ny tany rehetra.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗