시편 84편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 12절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | — | How amiable are thy tabernacles, O Lord of hosts! |
| 2 | Endrey ny hatsaran’ ny tabernakelinao, Jehovah, Tompon’ ny maro, ô! | My soul longeth, yea, even fainteth for the courts of the Lord: my heart and my flesh crieth out for the living God. |
| 3 | Manina sady vonton’ alahelo ny kianjan’ i Jehovah ny fanahiko; ny foko sy ny nofoko mihoby an’ Andriamanitra velona. | Yea, the sparrow hath found an house, and the swallow a nest for herself, where she may lay her young, even thine altars, O Lord of hosts, my King, and my God. |
| 4 | Eny, ny tsikirity mahita trano, ary ny sidintsidina mahita akany ho azy hametrahany ny zanany. Dia ny alitaranao, Jehovah, Tompon’ ny maro ô, Mpanjakako sy Andriamanitro. | Blessed are they that dwell in thy house: they will be still praising thee. Selah. |
| 5 | Sambatra izay mitoetra ao an-tranonao; hidera Anao mandrakariva izy. [Sela.] | Blessed is the man whose strength is in thee; in whose heart are the ways of them. |
| 6 | Sambatra izay olona manan-kery avy aminao; ao am-pony ny lalana; | Who passing through the valley of Baca make it a well; the rain also filleth the pools. |
| 7 | Raha mandeha mamaky ny lohasaha Baka izy, Dia ataony misy loharano izany, ary ny loha-orana manarom-pitahiana azy. | They go from strength to strength, every one of them in Zion appeareth before God. |
| 8 | Miampy hery eny am-pandehanana izy; samy miseho eo anatrehan’ Andriamanitra any Ziona izy rehetra. | O Lord God of hosts, hear my prayer: give ear, O God of Jacob. Selah. |
| 9 | Jehovah, Andriamanitry ny maro ô, henoy ny fivavako; mandrenesa ry Andriamanitr’ i Jakoba ô. [Sela.] | Behold, O God our shield, and look upon the face of thine anointed. |
| 10 | Andriamanitra, Ampinganay ô, tsinjovy ka jereo ny tavan’ ny voahosotrao. | For a day in thy courts is better than a thousand. I had rather be a doorkeeper in the house of my God, than to dwell in the tents of wickedness. |
| 11 | Fa ny indray andro eo an-kianjanao dia tsara noho ny arivo; aleoko mipetraka eo amin’ ny tokonam-baravaran’ ny tranon’ Andriamanitra, toy izay mitoetra ao an-dain’ ny ratsy fanahy. | For the Lord God is a sun and shield: the Lord will give grace and glory: no good thing will he withhold from them that walk uprightly. |
| 12 | Fa Masoandro sy Ampinga Jehovah Andriamanitra; fahasoavana sy voninahitra no homen’ i Jehovah; tsy hiaro zava-tsoa amin’ izay mandeha amin’ ny fahitsiana izy. | O Lord of hosts, blessed is the man that trusteth in thee. |
| 13 | Jehovah, Tompon’ ny maro ô, sambatra izay olona matoky Anao. | — |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL