시편 7편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 17절
- 2 Jehovah Andriamanitro ô, Hianao no ialofako; vonjeo aho amin’ izay rehetra manenjika ahy, ka afaho;
- 3 Fandrao ny fanahiko viravirainy tahaka ny fanaon’ ny liona, ary kepokepohiny, ka tsy misy mamonjy.
- 4 Jehovah Andriamanitro ô, raha nanao izany aho; raha misy heloka eto an-tanako;
- 5 Raha namaly ratsy izay tsara fihavanana tamiko aho, novonjeko aza izay nampahory ahy tsy ahoan-tsy ahoana
- 6 Dia aoka ny fahavalo hanenjika ny fanahiko ka hahatratra azy; eny, aoka izy hanitsaka ny aiko amin’ ny tany, ary hampandry ny voninahitro amin’ ny vovoka. [Sela.]
- 7 Jehovah ô, mitsangàna amin’ ny fahatezeranao; misandrata hisakana ny fisafoaky ny mpampahory ahy; ary mifohaza hanampy ahy, fa didy marina no navoakanao;
- 8 Aoka ny firenena maro hivory manodidina Anao; ary miverena ho any amin’ ny avo eo amboniny Hianao,
- 9 Jehovah hitsara ny firenena; Jehovah ô, tsarao aho araka ny fahamarinako sy ny tsi-fananako tsiny.
- 10 Aoka ho tapaka ny ratsy ataon’ ny ratsy fanahy, fa ampitoero kosa ny marina; fa Andriamanitra marina no mamantatra ny fo sy ny voa.
- 11 Ny ampingako dia ao amin’ Andriamanitra, Mpamonjy ny mahitsy fo.
- 12 Mpitsara marina Andriamanitra, eny Andriamanitra Izay tezitra isan’ andro.
- 13 Raha tsy ibebahana Izy, dia hanasa ny sabany; efa manenjana ny tsipìkany Izy ka manamboatra azy,
- 14 Ary ireo dia kendreny amin’ ny fiadiana mahafaty; ny zana-tsipìkany ataony mirehitra.
- 15 Indro, efa marary hiteraka zava-poana ireo; eny, torontoronina fampahoriana izy ary mitera-doza;
- 16 Mihady lavaka izy ka manalalaka izany, dia latsaka ao anatin’ ny longoa nataony ihany izy;
- 17 Mitsingerina ho eo an-dohany ihany ny fampahoriany; ary eo an-tampon-dohany ihany no ianjeran’ ny loza nataony.
- 18 Hidera an’ i Jehovah araka ny fahamarinany aho, ary hankalaza ny anaran’ i Jehovah Avo Indrindra.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗