시편 8편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 9절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | — | O Lord our Lord, how excellent is thy name in all the earth! who hast set thy glory above the heavens. |
| 2 | Jehovah, Tomponay ô, endrey ny voninahitry ny anaranao amin’ ny tany rehetra! nataonao eny amin’ ny lanitra ny voninahitrao. | Out of the mouth of babes and sucklings hast thou ordained strength because of thine enemies, that thou mightest still the enemy and the avenger. |
| 3 | Avy amin’ ny vavan’ ny ankizy madinika sy ny minono no nanorenanao hery noho ny mpandrafy Anao, mba hampanginanao ny fahavalo sy izay ta-hamaly ratsy. | When I consider thy heavens, the work of thy fingers, the moon and the stars, which thou hast ordained; |
| 4 | Raha jereko ny lanitrao, izay asan’ ny rantsan-tananao, sy ny volana aman-kintana, izay noforoninao, | What is man, that thou art mindful of him? and the son of man, that thou visitest him? |
| 5 | Inona moa ny olona, no ahatsiarovanao azy? Ary ny zanak’ olombelona, no amangianao azy? | For thou hast made him a little lower than the angels, and hast crowned him with glory and honour. |
| 6 | Fa efa nataonao ambany kely noho Andriamanitra izy, ary efa nosatrohanao voninahitra sy fiandrianana. | Thou madest him to have dominion over the works of thy hands; thou hast put all things under his feet: |
| 7 | Efa nampanjakainao amin’ ny asan’ ny tananao izy; ny zavatra rehetra dia efa nataonao eo ambanin’ ny tongony, | All sheep and oxen, yea, and the beasts of the field; |
| 8 | Dia ny ondry aman’ osy sy ny omby rehetra, ary ny bibidia koa, | The fowl of the air, and the fish of the sea, and whatsoever passeth through the paths of the seas. |
| 9 | Mbamin’ ny voro-manidina sy ny hazandrano any an-dranomasina, izay mandeha amin’ ny lalan-dranomasina. | O Lord our Lord, how excellent is thy name in all the earth! |
| 10 | Jehovah Tomponay ô, endrey ny voninahitry ny anaranao amin’ ny tany rehetra! | — |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL