로그인

시편 56편 Baiboly Malagasy (1865)

Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 13절

  1. 2 Mamindrà fo amiko, Andriamanitra ô, fa misafoaka manenjika ahy ny olona; miady amiko mandrakariva izy ka mampahory ahy.
  2. 3 Misafoaka manenjika mandrakariva ny mpampahory ahy; maro tokoa no mirehareha miady amiko.
  3. 4 Amin’ ny andro atahorako no itokiako Anao.
  4. 5 Andriamanitra no iderako ny teniny; Andriamanitra no itokiako, ka tsy mba hatahotra aho; inona no hataon’ ny nofo amiko?
  5. 6 Manimba ny raharahako mandra-kariva ireny; ny heviny rehetra dia ny hanisy ratsy ahy ihany.
  6. 7 Miangona izy, miery izy, mitsongo-dia ahy izy, satria mikendry ny aiko.
  7. 8 Amin’ izany faharatsiany izany moa hisy hahafahany va? Aripaho amin’ ny fahatezeranao ny firenena. Andriamanitra ô.
  8. 9 Manisa ny firenireneko Hianao; ataovy ao an-tavoahanginao ny ranomasoko; tsy eo amin’ ny bokinao va ireny?
  9. 10 Amin’ izay dia hiamboho ny fahavaloko amin’ ny andro hiantsoako Anao; izao dia fantatro, fa momba ahy Andriamanitra.
  10. 11 Andriamanitra no iderako ny teniny; Jehovah no iderako ny teniny.
  11. 12 Andriamanitra no itokiako; ka tsy mba hatahotra aho; inona no hataon’ ny olona amiko?
  12. 13 Nivoady taminao aho, Andriamanitra ô, dia hanatitra fanati-pisaorana ho Anao.
  13. 14 Fa efa nanafaka ny fanahiko tamin’ ny fahafatesana Hianao; eny, nanafaka ny tongotro Hianao mba tsy ho solafaka. Handehanako eo anatrehan’ Andriamanitra amin’ ny fahazavan’ ny velona.

Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗