시편 56편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 13절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | — | Be merciful unto me, O God: for man would swallow me up; he fighting daily oppresseth me. |
| 2 | Mamindrà fo amiko, Andriamanitra ô, fa misafoaka manenjika ahy ny olona; miady amiko mandrakariva izy ka mampahory ahy. | Mine enemies would daily swallow me up: for they be many that fight against me, O thou most High. |
| 3 | Misafoaka manenjika mandrakariva ny mpampahory ahy; maro tokoa no mirehareha miady amiko. | What time I am afraid, I will trust in thee. |
| 4 | Amin’ ny andro atahorako no itokiako Anao. | In God I will praise his word, in God I have put my trust; I will not fear what flesh can do unto me. |
| 5 | Andriamanitra no iderako ny teniny; Andriamanitra no itokiako, ka tsy mba hatahotra aho; inona no hataon’ ny nofo amiko? | Every day they wrest my words: all their thoughts are against me for evil. |
| 6 | Manimba ny raharahako mandra-kariva ireny; ny heviny rehetra dia ny hanisy ratsy ahy ihany. | They gather themselves together, they hide themselves, they mark my steps, when they wait for my soul. |
| 7 | Miangona izy, miery izy, mitsongo-dia ahy izy, satria mikendry ny aiko. | Shall they escape by iniquity? in thine anger cast down the people, O God. |
| 8 | Amin’ izany faharatsiany izany moa hisy hahafahany va? Aripaho amin’ ny fahatezeranao ny firenena. Andriamanitra ô. | Thou tellest my wanderings: put thou my tears into thy bottle: are they not in thy book? |
| 9 | Manisa ny firenireneko Hianao; ataovy ao an-tavoahanginao ny ranomasoko; tsy eo amin’ ny bokinao va ireny? | When I cry unto thee, then shall mine enemies turn back: this I know; for God is for me. |
| 10 | Amin’ izay dia hiamboho ny fahavaloko amin’ ny andro hiantsoako Anao; izao dia fantatro, fa momba ahy Andriamanitra. | In God will I praise his word: in the Lord will I praise his word. |
| 11 | Andriamanitra no iderako ny teniny; Jehovah no iderako ny teniny. | In God have I put my trust: I will not be afraid what man can do unto me. |
| 12 | Andriamanitra no itokiako; ka tsy mba hatahotra aho; inona no hataon’ ny olona amiko? | Thy vows are upon me, O God: I will render praises unto thee. |
| 13 | Nivoady taminao aho, Andriamanitra ô, dia hanatitra fanati-pisaorana ho Anao. | For thou hast delivered my soul from death: wilt not thou deliver my feet from falling, that I may walk before God in the light of the living? |
| 14 | Fa efa nanafaka ny fanahiko tamin’ ny fahafatesana Hianao; eny, nanafaka ny tongotro Hianao mba tsy ho solafaka. Handehanako eo anatrehan’ Andriamanitra amin’ ny fahazavan’ ny velona. | — |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL