로그인

시편 57편 Baiboly Malagasy (1865)

Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 11절

  1. 2 Mamindrà fo amiko. Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko; fa Hianao no ialofan’ ny fanahiko; eny, ao amin’ ny aloky ny elatrao no ialofako, mandra-pahalasan’ ny loza.
  2. 3 Hitaraina amin’ Andriamanitra Avo Indrindra aho, dia amin’ Andriamanitra Izay mahatanteraka ho ahy.
  3. 4 Haniraka avy any an-danitra Izy ka hamonjy ahy, raha miteny ratsy izay misafoaka manenjika ahy. [Sela.] Eny, Andriamanitra haniraka ny famindram-pony sy ny fahamarinany.
  4. 5 Ny fanahiko dia eo afovoan’ ny liona; handry eo amin’ ny masiaka aho, dia eo amin’ ny zanak’ olombelona,― lefona sy zana-tsipìka ny nifiny, ary sabatra maranitra ny lelany.
  5. 6 Misandrata any ambonin’ ny lanitra Hianao, Andriamanitra ô! aoka ho ambonin’ ny tany rehetra ny voninahitrao.
  6. 7 Efa namela-pandrika harato haningotra ny diako izy, ary nampitanondrika ny fanahiko; nihady lavaka teo anoloako izy, kanjo ny tenany ihany no latsaka ao anatiny. [Sela.]
  7. 8 Tafatoetra ny foko, Andriamanitra ô, eny, tafatoetra ny foko; hihira sy hankalaza aho.
  8. 9 Mifohaza, ry voninahitro; mifohaza ry valiha sy lokanga; hifoha maraina koa aho.
  9. 10 Hidera Anao eny amin’ ny vahoaka aho, Tompo ô, hankalaza Anao eny amin’ ny firenena aho.
  10. 11 Fa lehibe mihatra amin’ ny lanitra ny famindram-ponao, ary mihatra amin’ ny rahona ny fahamarinanao.
  11. 12 Misandrata any ambonin’ ny lanitra Hianao, Andriamanitra ô; aoka ho ambonin’ ny tany rehetra ny voninahitrao.

Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗