시편 55편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 23절
- 2 Mihainoa ny fivavako, Andriamanitra ô, ary aza miery amin’ ny fitarainako.
- 3 Henoy aho, ka valio; miriorio ny eritreritro, ka mitoloko aho,
- 4 Noho ny feon’ ny fahavalo sy ny fampahorian’ ny ratsy fanahy; fa mampianjera loza amiko ireny, ary amin’ ny fahatezerana no ankahalany ahy.
- 5 Mangorohoro ato anatiko ny foko, ary mamely ahy ny tahotra ny fahafatesana.
- 6 Tahotra sy hovitra no mahazo ahy, ary manafotra ahy ny horohoro.
- 7 Ka hoy izaho: enga anie ka manana elatra tahaka ny voromailala aho, dia handositra aho ka hahita izay hitoerako;
- 8 Eny, handositra lavitra aho ka hitoetra any an-efitra. [Sela.]
- 9 Handeha faingana aho hamonjy fialofana, mba tsy ho azon’ ny tafio-drivotra sy ny ranonoram-baratra.
- 10 Aringano izy, ary akoroy ny fiteniny, Tompo ô; fa mahita loza sy ady ao an-tanàna aho.
- 11 Hodidininy andro aman’ alina eny ambonin ny mandany io; ary heloka sy fampahoriana no ao aminy;
- 12 Ratsy no ao anatiny; ary ny fitaka sy ny fanangolena tsy mba miala amin’ ny lalàmbeny.
- 13 Fa tsy fahavalo no nanaratsy ahy,― fa raha izany, dia niaritra ihany aho; tsy olona nankahala ahy no nanandra-tena namely ahy, fa raha izany, dia niery azy aho;
- 14 Fa ianao, lehilahy mitovy saranga amiko, namako sy sakaizako indrindra,
- 15 Dia isika izay nifankamamy resaka ka niara-nandeha tamin’ ny maro ho ao an-tranon’ Andriamanitra.
- 16 Aoka hanampoka azy ny fahafatesana. Aoka hidina velona any amin’ ny fiainan-tsi-hita izy; fa ratsy no ao amin’ ny fonenany, dia ao afovoany.
- 17 Raha izaho, dia Andriamanitra no hantsoiko; ary Jehovah no hamonjy ahy.
- 18 Hariva sy maraina ary mitatao vovonana no hitarainako sy hitolokoako; dia hihaino ny feoko Izy,
- 19 Ka hanavotra ny fanahiko ho amin’ ny fiadanana hahafahako amin’ ny adin’ ireny amiko, fa maro no miady amiko.
- 20 Hihaino Andriamanitra, Izay mipetraka hatramin’ ny taloha, [Sela.] ka hamaly ireo olona tsy miova toetra, sady tsy matahotra an’ Andriamanitra.
- 21 Efa naninjitra ny tànany hamely izay nihavana taminy izy; namadika ny fanekeny izy.
- 22 Malambo noho ny rononomandry ny vavany, kanjo ady no ao am-pony; malemy noho ny diloilo ny teniny, kanjo sabatra voatsoaka ireny.
- 23 Apetraho amin’ i Jehovah ny entanao, ary Izy no hanohana anao; tsy havelany hangozohozo mandrakizay ny marina.
- 24 Fa Hianao, Andriamanitra ô, no hampidina ireo any an-davaka fanimbana; ny mpandatsa-drà sy mpamitaka tsy hahatratra ny an-tsasaky ny androny; fa izaho kosa dia hatoky Anao.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗