시편 55편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 23절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | — | Give ear to my prayer, O God; and hide not thyself from my supplication. |
| 2 | Mihainoa ny fivavako, Andriamanitra ô, ary aza miery amin’ ny fitarainako. | Attend unto me, and hear me: I mourn in my complaint, and make a noise; |
| 3 | Henoy aho, ka valio; miriorio ny eritreritro, ka mitoloko aho, | Because of the voice of the enemy, because of the oppression of the wicked: for they cast iniquity upon me, and in wrath they hate me. |
| 4 | Noho ny feon’ ny fahavalo sy ny fampahorian’ ny ratsy fanahy; fa mampianjera loza amiko ireny, ary amin’ ny fahatezerana no ankahalany ahy. | My heart is sore pained within me: and the terrors of death are fallen upon me. |
| 5 | Mangorohoro ato anatiko ny foko, ary mamely ahy ny tahotra ny fahafatesana. | Fearfulness and trembling are come upon me, and horror hath overwhelmed me. |
| 6 | Tahotra sy hovitra no mahazo ahy, ary manafotra ahy ny horohoro. | And I said, Oh that I had wings like a dove! for then would I fly away, and be at rest. |
| 7 | Ka hoy izaho: enga anie ka manana elatra tahaka ny voromailala aho, dia handositra aho ka hahita izay hitoerako; | Lo, then would I wander far off, and remain in the wilderness. Selah. |
| 8 | Eny, handositra lavitra aho ka hitoetra any an-efitra. [Sela.] | I would hasten my escape from the windy storm and tempest. |
| 9 | Handeha faingana aho hamonjy fialofana, mba tsy ho azon’ ny tafio-drivotra sy ny ranonoram-baratra. | Destroy, O Lord, and divide their tongues: for I have seen violence and strife in the city. |
| 10 | Aringano izy, ary akoroy ny fiteniny, Tompo ô; fa mahita loza sy ady ao an-tanàna aho. | Day and night they go about it upon the walls thereof: mischief also and sorrow are in the midst of it. |
| 11 | Hodidininy andro aman’ alina eny ambonin ny mandany io; ary heloka sy fampahoriana no ao aminy; | Wickedness is in the midst thereof: deceit and guile depart not from her streets. |
| 12 | Ratsy no ao anatiny; ary ny fitaka sy ny fanangolena tsy mba miala amin’ ny lalàmbeny. | For it was not an enemy that reproached me; then I could have borne it: neither was it he that hated me that did magnify himself against me; then I would have hid myself from him: |
| 13 | Fa tsy fahavalo no nanaratsy ahy,― fa raha izany, dia niaritra ihany aho; tsy olona nankahala ahy no nanandra-tena namely ahy, fa raha izany, dia niery azy aho; | But it was thou, a man mine equal, my guide, and mine acquaintance. |
| 14 | Fa ianao, lehilahy mitovy saranga amiko, namako sy sakaizako indrindra, | We took sweet counsel together, and walked unto the house of God in company. |
| 15 | Dia isika izay nifankamamy resaka ka niara-nandeha tamin’ ny maro ho ao an-tranon’ Andriamanitra. | Let death seize upon them, and let them go down quick into hell: for wickedness is in their dwellings, and among them. |
| 16 | Aoka hanampoka azy ny fahafatesana. Aoka hidina velona any amin’ ny fiainan-tsi-hita izy; fa ratsy no ao amin’ ny fonenany, dia ao afovoany. | As for me, I will call upon God; and the Lord shall save me. |
| 17 | Raha izaho, dia Andriamanitra no hantsoiko; ary Jehovah no hamonjy ahy. | Evening, and morning, and at noon, will I pray, and cry aloud: and he shall hear my voice. |
| 18 | Hariva sy maraina ary mitatao vovonana no hitarainako sy hitolokoako; dia hihaino ny feoko Izy, | He hath delivered my soul in peace from the battle that was against me: for there were many with me. |
| 19 | Ka hanavotra ny fanahiko ho amin’ ny fiadanana hahafahako amin’ ny adin’ ireny amiko, fa maro no miady amiko. | God shall hear, and afflict them, even he that abideth of old. Selah. Because they have no changes, therefore they fear not God. |
| 20 | Hihaino Andriamanitra, Izay mipetraka hatramin’ ny taloha, [Sela.] ka hamaly ireo olona tsy miova toetra, sady tsy matahotra an’ Andriamanitra. | He hath put forth his hands against such as be at peace with him: he hath broken his covenant. |
| 21 | Efa naninjitra ny tànany hamely izay nihavana taminy izy; namadika ny fanekeny izy. | The words of his mouth were smoother than butter, but war was in his heart: his words were softer than oil, yet were they drawn swords. |
| 22 | Malambo noho ny rononomandry ny vavany, kanjo ady no ao am-pony; malemy noho ny diloilo ny teniny, kanjo sabatra voatsoaka ireny. | Cast thy burden upon the Lord, and he shall sustain thee: he shall never suffer the righteous to be moved. |
| 23 | Apetraho amin’ i Jehovah ny entanao, ary Izy no hanohana anao; tsy havelany hangozohozo mandrakizay ny marina. | But thou, O God, shalt bring them down into the pit of destruction: bloody and deceitful men shall not live out half their days; but I will trust in thee. |
| 24 | Fa Hianao, Andriamanitra ô, no hampidina ireo any an-davaka fanimbana; ny mpandatsa-drà sy mpamitaka tsy hahatratra ny an-tsasaky ny androny; fa izaho kosa dia hatoky Anao. | — |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL