시편 54편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 9절
- 1 Ho an’ ny mpiventy hira. Hampiarahina amin’ ny valiha. Maskila nataon’ i Davida,
- 2 fony tonga ny Zifita ka nanao tamin’ i Saoly hoe: Tsy miery any aminay va Davida?
- 3 Vonjeo amin’ ny anaranao aho, Andriamanitra ô, ary omeo rariny aho araka ny herinao.
- 4 Andriamanitra ô, henoy ny fivavako; mihainoa ny tenin’ ny vavako.
- 5 Fa olona hafa firenena no mitsangana hamely ahy, ary olon-dozabe no mitady ny aiko; tsy mihevitra an’ Andriamanitra ho eo anatrehany izy. [Sela.]
- 6 Indro, Andriamanitra no Mpamonjy ahy; ny Tompo no Mpanohana ny fanahiko.
- 7 Hamaly ny ratsy ataon’ ny mpampahory ahy Izy; aoka ny fahamarinanao no handringananao azy.
- 8 Sitrapoko ihany no hanaterako fanatitra ho Anao; hidera ny anaranao aho, Jehovah ô, fa tsara izy.
- 9 Fa efa namonjy ahy ho afaka tamin’ ny fahoriana rehetra Izy; ary ny masoko dia faly mijery ny amin’ ny fahavaloko.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗