시편 42편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 11절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | — | As the hart panteth after the water brooks, so panteth my soul after thee, O God. |
| 2 | Tahaka ny diera mihanahana maniry ny rano an’ ony no anirian’ ny fanahiko Anao, Andriamanitra ô. | My soul thirsteth for God, for the living God: when shall I come and appear before God? |
| 3 | Mangetaheta an’ Andriamanitra ny fanahiko, dia Andriamanitra velona; Rahoviana no ho tonga aho ka hiseho eo anatrehan’ Andriamanitra? | My tears have been my meat day and night, while they continually say unto me, Where is thy God? |
| 4 | Ny ranomasoko no fiahiko andro aman’ alina, amin’ ny anaovany ahy mandrakariva hoe: Aiza izay Andriamanitrao? | When I remember these things, I pour out my soul in me: for I had gone with the multitude, I went with them to the house of God, with the voice of joy and praise, with a multitude that kept holyday. |
| 5 | Izao zavatra izao no hotsarovako, ka haidiko ato anatiko ny fanahiko, dia ny nandrosoako niaraka tamin’ ny maro, sy ny nitarihako azy ho any an-tranon’ Andriamanitra, nanao feo mihoby sy midera, dia olona maro izay nitandrina ny andro firavoravoana. | Why art thou cast down, O my soul? and why art thou disquieted in me? hope thou in God: for I shall yet praise him for the help of his countenance. |
| 6 | Nahoana no mitanondrika ianao, ry fanahiko, ka mitoloko ato anatiko? Manantenà an’ Andriamanitra ianao, fa mbola hidera Azy ihany aho noho ny famonjen’ ny tavany. | O my God, my soul is cast down within me: therefore will I remember thee from the land of Jordan, and of the Hermonites, from the hill Mizar. |
| 7 | Andriamanitro ô, mitanondrika ato anatiko ny fanahiko; Izany no ahatsiarovako Anao eo amin’ ny tanin’ i Jordana sy amin’ ireo Hermona ary amin’ ny tendrombohitra Mizara. | Deep calleth unto deep at the noise of thy waterspouts: all thy waves and thy billows are gone over me. |
| 8 | Ny lalina miantso ny lalina noho ny firohondrohon’ ny riananao; ny onjanao rehetra sy ny alon-dranonao efa nanafotra ahy. | Yet the Lord will command his lovingkindness in the daytime, and in the night his song shall be with me, and my prayer unto the God of my life. |
| 9 | Jehovah handidy ny famindram-pony nony andro, ary ho amiko nony alina ny fihirana Azy, dia vavaka amin’ Andriamanitry ny aiko. | I will say unto God my rock, Why hast thou forgotten me? why go I mourning because of the oppression of the enemy? |
| 10 | Hoy izaho amin’ Andriamanitra Vatolampiko: nahoana no nanadino ahy Hianao? nahoana no mandeha mijoretra aho noho ny fampahorian’ ny fahavaloko? | As with a sword in my bones, mine enemies reproach me; while they say daily unto me, Where is thy God? |
| 11 | Toy ny zavatra mahatorotoro ny taolako no fandatsan’ ny fahavaloko ahy, ka hoy izy isan’ andro: Aiza izay Andriamanitrao? | Why art thou cast down, O my soul? and why art thou disquieted within me? hope thou in God: for I shall yet praise him, who is the health of my countenance, and my God. |
| 12 | Nahoana no mitanondrika ianao, ry fanahiko? ary nahoana no mitoloko ato anatiko ianao? Manantenà an’ Andriamanitra, fa mbola hidera Azy ihany aho, Izy no famonjena ny tavako sady Andriamanitro. | — |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL