시편 43편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 5절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Omeo rariny aho, Andriamanitra ô, ary alaharo ny teniko haharesy ny firenena tsy misy famindram-po; Vonjeo aho ho afaka amin’ ny lehilahy mpamitaka sy mpanao meloka. | Judge me, O God, and plead my cause against an ungodly nation: O deliver me from the deceitful and unjust man. |
| 2 | Fa Hianao no Andriamanitry ny heriko; Nahoana no manary ahy Hianao? Nahoana no mandeha mijoretra aho noho ny fampahorian’ ny fahavaloko? | For thou art the God of my strength: why dost thou cast me off? why go I mourning because of the oppression of the enemy? |
| 3 | Ampandehano ny fahazavanao sy ny fahamarinanao; aoka hitarika ahy ireo ka hitondra ahy ho any an-tendrombohitrao masìna, dia ho any amin’ ny tabernakelinao. | O send out thy light and thy truth: let them lead me; let them bring me unto thy holy hill, and to thy tabernacles. |
| 4 | Dia hankany amin’ ny alitaran’ Andriamanitra aho, dia any amin’ Andriamanitry ny fifaliako indrindra; ary hidera Anao amin’ ny lokanga aho, ry Andriamanitra ô, dia Andriamanitro. | Then will I go unto the altar of God, unto God my exceeding joy: yea, upon the harp will I praise thee, O God my God. |
| 5 | Nahoana no mitanondrika ianao ry fanahiko? ary nahoana no mitoloko ato anatiko ianao? manantenà an’ Andriamanitra, fa mbola hidera Azy ihany aho. Izy no famonjena ny tavako sady Andriamanitro. | Why art thou cast down, O my soul? and why art thou disquieted within me? hope in God: for I shall yet praise him, who is the health of my countenance, and my God. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL