시편 41편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 13절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | — | Blessed is he that considereth the poor: the Lord will deliver him in time of trouble. |
| 2 | Sambatra izay mahatsiaro ny malahelo; Jehovah hamonjy azy amin’ ny andro fahoriana. | The Lord will preserve him, and keep him alive; and he shall be blessed upon the earth: and thou wilt not deliver him unto the will of his enemies. |
| 3 | Jehovah hitandrina sy hiaro azy tsy ho faty; hatao ho sambatra ambonin’ ny tany izy, ary tsy mba hatolotrao amin’ ny sitrapon’ ny fahavalony. | The Lord will strengthen him upon the bed of languishing: thou wilt make all his bed in his sickness. |
| 4 | Jehovah hanohana azy eo ambonin’ ny farafara hitsaboana azy. Ny fandriany rehetra eo am-paharariany dia hovanao. | I said, Lord, be merciful unto me: heal my soul; for I have sinned against thee. |
| 5 | Hoy izaho: Jehovah ô, mamindrà fo amiko; sitrano ny fanahiko, fa efa nanota taminao aho. | Mine enemies speak evil of me, When shall he die, and his name perish? |
| 6 | Ny fahavaloko maniry ahy ho simba ka manao hoe: Rahoviana no ho faty izy, ka ho very ny anarany? | And if he come to see me, he speaketh vanity: his heart gathereth iniquity to itself; when he goeth abroad, he telleth it. |
| 7 | Ary raha avy mamangy, izy dia miteny zava-poana; ny fony mamory faharatsiana ho an’ ny tenany; mivoaka eny ivelany izy ka milazalaza. | All that hate me whisper together against me: against me do they devise my hurt. |
| 8 | Mitakoritsika ahy izay rehetra mankahala ahy; misaina hanisy ratsy ahy izy. | An evil disease, say they, cleaveth fast unto him: and now that he lieth he shall rise up no more. |
| 9 | Tena zava-dratsy, hoy izy, no aidina aminy; ary raha mandry izy dia tsy hitsangana intsony. | Yea, mine own familiar friend, in whom I trusted, which did eat of my bread, hath lifted up his heel against me. |
| 10 | Eny, ny sakaizako, izay maha-toky ahy sady nihinana ny haniko, no nanangana ny ombelahin-tongony hamely ahy. | But thou, O Lord, be merciful unto me, and raise me up, that I may requite them. |
| 11 | Fa ianao kosa Jehovah ô, mamindrà fo amiko, ka atsangano aho mba hamaliako azy. | By this I know that thou favourest me, because mine enemy doth not triumph over me. |
| 12 | Izao no hahafantarako fa mankasitraka ahy Hianao, dia ny tsy anakoran’ ny fahavaloko ahy. | And as for me, thou upholdest me in mine integrity, and settest me before thy face for ever. |
| 13 | Ary ny amiko, dia manohana ahy amin’ ny fahitsiako Hianao, ka mampitoetra ahy eo anatrehanao mandrakizay. | Blessed be the Lord God of Israel from everlasting, and to everlasting. Amen, and Amen. |
| 14 | Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, hatramin’ ny taloha indrindra ka mandrakizay. Amena dia Amena. | — |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL