시편 39편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 13절
- 2 Hoy izaho: hitandrina ny lalako aho ka tsy hanota amin’ ny lelako; hasiako fehim-bava ny vavako, raha mbola eo anatrehako ny ratsy fanahy.
- 3 Nangina mihitsy aho, namihim-bava ka tsy nilaza na dia ny tsara aza, dia nihetsika mafy ny fanaintainan’ ny aretiko.
- 4 Nafana ny foko tato anatiko; raha nieritreritra aho, dia nisy afo nirehitra, ka niteny tamin’ ny lelako aho.
- 5 Jehovah ô, ampahafantaro ny farako aho sy izay ohatry ny androko; aoka ho fantatro fa olon-kandalo aho.
- 6 Indro efa nataonao vodivoam-pelatanana ny androko, ary ny fiainako toy ny tsinontsinona eo anatrehanao. Zava-poana ihany tokoa ny olon-drehetra, na dia matanjaka aza. [Sela.]
- 7 Aloka tokoa no fandehandehan’ ny olona; zava-poana tokoa no itabatabàny; mihary harena izy nefa tsy fantany izay ho tompon’ izany.
- 8 Ary ankehitriny, inona no andrasako Tompo ô? Hianao no antenaiko.
- 9 Manafaha ahy amin’ ny fahadisoako rehetra; aza manao ahy ho fanakoran’ ny adala.
- 10 Mangìna aho ka tsy miloa-bava fa ianao no nanao izao.
- 11 Aoka hitsahatra ny fikapohanao ahy; reraka aho azon’ ny famelin’ ny tananao.
- 12 Anatra noho ny fahadisoany no ananaranao ny olona, ka manimba ny hatsaran-tarehiny tahaka ny kalalao ianao; zava-poana tokoa ny olona rehetra. [Sela.]
- 13 Mandrenesa ny fivavako Jehovah ô, ary mihainoa ny fitarainako; aza mangìna amin’ ny ranomasoko fa vahiny aminao aho sy mpivahiny tahaka ny razako rehetra.
- 14 Aza atrehinao aho aloha, dia ho miramirana indray, dieny aho tsy mbola lasa ka tsy ho eto intsony.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗