시편 38편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 22절
- 2 Jehovah ô, aza ny fahatezeranao no ananaranao ahy; ary aza ny fahaviniranao no amaizanao ahy.
- 3 Fa mitsatoka amiko ny zana-tsipìkanao, ary manindry ahy mafy ny tananao,
- 4 Tsy misy fahasalamana ny nofoko noho ny fahatezeranao; tsy misy tsy marary ny taolako noho ny fahotako.
- 5 Fa ny heloko efa mihoatra ny lohako; tahaka ny entana mavesatra izy ka tsy zakako.
- 6 Maimbo sady mihady ny feriko noho ny hadalako.
- 7 Mitanondrika sy mijoretra indrindra aho, ary misaona mandrakariva.
- 8 Ary ny vaniako henika ny aretina mahamay, ka tsy misy fahasalamana ny nofoko.
- 9 Marikoditra aho sady torovana indrindra; midradradradra aho noho ny fitolokon’ ny foko.
- 10 Ry Tompo ô, eo anatrehanao ny faniriako rehetra; ary ny fisentoako tsy mba miafina aminao.
- 11 Miemponempona ny foko, lany ny heriko, ary ny fahiratan’ ny masoko aza efa nandao ahy.
- 12 Ny olo-malalako sy ny sakaizako aza efa manalavitra ny fahoriako; Ary ny havako mijanona eny lavitra eny.
- 13 Mamela-pandrika izay mitady ny aiko; ary izay mitady hanimba ahy miteny fanimbana, sy misaim-pitaka mandrakariva.
- 14 Fa izaho dia tahaka ny marenina ka tsy mandre, ary tahaka ny moana ka tsy mahaloa-bava;
- 15 Eny, dia tahaka ny olona tsy mandre, sady tsy misy teny havaly eo am-bavany.
- 16 Fa ianao no antenaiko Jehovah ô; ianao no hamaly, ry Tompo Andriamanitra ô.
- 17 Fa hoy izaho: sao dia hifalian’ izy ireo anie aho; ary raha mibolisatra ny tongotro, dia hirehareha amiko izy.
- 18 Fa efa ho lavo aho, ary ny fanaintainako dia tsaroako mandrakariva.
- 19 Fa ny heloko no hambarako; matahotra aho noho ny fahotako.
- 20 Fa ny fahavaloko velona ihany sady mahery; ary maro no mandrafy ahy tsy ahoan-tsy ahoana;
- 21 Ary mamaly ratsy ny soa izy ireo ka mandrafy ahy ho valin’ ny fanarahako ny tsara.
- 22 Aza mahafoy ahy, Jehovah ô; Ry Andriamanitro ô, aza manalavitra ahy.
- 23 Faingàna hamonjy ahy, ry Tompo, Mpamonjy ahy ô.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗