시편 37편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 40절
- 1 Aoka tsy hirehitra ny fahatezeranao noho ny amin’ ny mpanao ratsy; Ary aza mialona ny mpanao meloka;
- 2 Fa hojinjana faingana tahaka ny ahitra izy ka halazo tahaka ny ahi-maitso.
- 3 Matokia an’ i Jehovah ianao, ka manaova soa, dia honina amin’ ny tany ianao ka ho faly amin’ ny fahamarinana.
- 4 Ary miravoravoa amin’ i Jehovah ianao, dia homeny anao izay irin’ ny fonao.
- 5 Ankino amin’ i Jehovah ny lalanao, ary matokia Azy, fa hataony tanteraka.
- 6 Ary hampiseho ny fahamarinanao tahaka ny mazava Izy, ary ny rariny ho anao tahaka ny mitataovovonana.
- 7 Miantombena tsara miandry an’ i Jehovah ianao ka manantenà Azy; Aza tezitra amin’ izay ambinina amin’ ny lalany dia amin’ izay olona manao sain-dratsy.
- 8 Mitsahara amin’ ny fahatezerana, ary mahafoiza ny fahavinirana; aoka tsy hirehitra ny fahatezeranao; fa ratsy no hiafaran’ izany.
- 9 Fa ny mpanao ratsy hofongoro-na; Ary izay miandry an’ i Jehovah no handova ny tany.
- 10 Fa rehefa afaka kelikely, dia tsy hisy ny ratsy fanahy; Handinika ny fonenany ianao, fa tsy ho hita izy.
- 11 Fa ny mpandefitra kosa no handova ny tany ka hiravoravo amin’ ny haben’ ny fiadanana.
- 12 Ny ratsy fanahy manao hevi-dratsy hamelezana ny maraina ka mihidy vazana aminy.
- 13 Ny tompo mihomehy azy, satria hitany fa ho tonga ny androny.
- 14 Ny ratsy fanahy nampitsoaka ny sabany ka nanenjana ny tsipìkany mba hampikarapoka ny ory sy ny malahelo, ary hamono ny mahitsy lalana.
- 15 Ny sabany hitsatoka amin’ ny fony ihany, ary ny tsipìkany ho tapatapaka.
- 16 Tsara lavitra ny kely ananan’ ny ratsy fanahy maro.
- 17 Fa ny sandrin’ ny ratsy fanahy ho tapatapaka; Fa Jehovah manohana ny marina.
- 18 Fantatr’ i Jehovah ny andron’ ny mahitsy; Ary ny lovany ho mandrakizay.
- 19 Tsy mba ho menatra amin’ ny andro fahoriana ireny; ary amin’ ny taona mosarena dia ho voky izy.
- 20 Fa ny ratsy fanahy haringana, ary ny fahavalon’ i Jehovah ho tahaka ny voninahitry ny saha; Ho levona izy, eny, ho levon-ko setroka izy.
- 21 Misambotra ny ratsy fanahy, nefa tsy manohitra; Fa ny marina kosa mamindra fo ka manome.
- 22 Fa izay tahìny no handova ny tany; Ary izay ozoniny kosa no hofongorana.
- 23 Avy amin’ i Jehovah no mahalavorary ny dian’ ny olona, ka Izy no mankasitraka ny lalany.
- 24 Na dia lavo aza izy, tsy dia mikarapoka, fa Jehovah no mitantana azy.
- 25 Efa mba tanora ihany aho, ary efa antitra ankehitriny; Fa tsy mbola hitako mangataka hanina.
- 26 Miantra mandrakariva ireny ka mampisambotra; ary ny taranany hotahina.
- 27 Halaviro ny ratsy, ka manaova soa. Dia honina mandrakizay ianao.
- 28 Fa Jehovah tia rariny sady tsy hahafoy ny olony masìna; Harovana mandrakizay ireo; Fa taranaky ny ratsy fanahy hofongorana,
- 29 Ny marina handova ny tany Ka honina ao aminy mandrakizay
- 30 Ny vavan’ ny marina miresaka fahendrena, Ary ny lelany manambara ny rariny.
- 31 Ny lalàn’ Andriamaniny no ao am-pony; Tsy mba ho solafaka ny diany.
- 32 Mitsikilo ny marina ny ratsy fanahy ka mitady hahafaty azy.
- 33 Jehovah tsy hahafoy azy eo an-tanany. Na hanameloka azy, raha tsaraina izy.
- 34 Miandrasa an’ i Jehovah, ka tandremo ny lalàny, dia hanandratra anao handova ny tany Izy; Ho faly hahita ny hamongorana ny ratsy fanahy ianao.
- 35 Efa hitako ny ratsy fanahy, fa loza loatra izy, ary nandrahaka tahaka ny hazo maitso maniry ho azy;
- 36 Kanjo nandalo izy ka, indro, tsy teo intsony; Ary nitady azy ka, tsy hita izy.
- 37 Diniho ny mahitsy, ka jereo ny marina; Fa misy farany ho an’ ny olona tia fihavanana.
- 38 Fa ny mpanota haringana avokoa; Ny hihafaran’ ny ratsy fanahy ho fongotra.
- 39 Fa ny famonjena ny marina dia avy amin’ i Jehovah; Fiarovana mafy ho azy amin’ ny andro fahoriana Izy.
- 40 Ary Jehovah mamonjy azy sy manafaka azy; eny, manafaka azy amin’ ny ratsy fanahy Izy ka mamonjy azy, satria nialoka taminy izy.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗