시편 38편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 22절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | — | O Lord, rebuke me not in thy wrath: neither chasten me in thy hot displeasure. |
| 2 | Jehovah ô, aza ny fahatezeranao no ananaranao ahy; ary aza ny fahaviniranao no amaizanao ahy. | For thine arrows stick fast in me, and thy hand presseth me sore. |
| 3 | Fa mitsatoka amiko ny zana-tsipìkanao, ary manindry ahy mafy ny tananao, | There is no soundness in my flesh because of thine anger; neither is there any rest in my bones because of my sin. |
| 4 | Tsy misy fahasalamana ny nofoko noho ny fahatezeranao; tsy misy tsy marary ny taolako noho ny fahotako. | For mine iniquities are gone over mine head: as an heavy burden they are too heavy for me. |
| 5 | Fa ny heloko efa mihoatra ny lohako; tahaka ny entana mavesatra izy ka tsy zakako. | My wounds stink and are corrupt because of my foolishness. |
| 6 | Maimbo sady mihady ny feriko noho ny hadalako. | I am troubled; I am bowed down greatly; I go mourning all the day long. |
| 7 | Mitanondrika sy mijoretra indrindra aho, ary misaona mandrakariva. | For my loins are filled with a loathsome disease: and there is no soundness in my flesh. |
| 8 | Ary ny vaniako henika ny aretina mahamay, ka tsy misy fahasalamana ny nofoko. | I am feeble and sore broken: I have roared by reason of the disquietness of my heart. |
| 9 | Marikoditra aho sady torovana indrindra; midradradradra aho noho ny fitolokon’ ny foko. | Lord, all my desire is before thee; and my groaning is not hid from thee. |
| 10 | Ry Tompo ô, eo anatrehanao ny faniriako rehetra; ary ny fisentoako tsy mba miafina aminao. | My heart panteth, my strength faileth me: as for the light of mine eyes, it also is gone from me. |
| 11 | Miemponempona ny foko, lany ny heriko, ary ny fahiratan’ ny masoko aza efa nandao ahy. | My lovers and my friends stand aloof from my sore; and my kinsmen stand afar off. |
| 12 | Ny olo-malalako sy ny sakaizako aza efa manalavitra ny fahoriako; Ary ny havako mijanona eny lavitra eny. | They also that seek after my life lay snares for me: and they that seek my hurt speak mischievous things, and imagine deceits all the day long. |
| 13 | Mamela-pandrika izay mitady ny aiko; ary izay mitady hanimba ahy miteny fanimbana, sy misaim-pitaka mandrakariva. | But I, as a deaf man, heard not; and I was as a dumb man that openeth not his mouth. |
| 14 | Fa izaho dia tahaka ny marenina ka tsy mandre, ary tahaka ny moana ka tsy mahaloa-bava; | Thus I was as a man that heareth not, and in whose mouth are no reproofs. |
| 15 | Eny, dia tahaka ny olona tsy mandre, sady tsy misy teny havaly eo am-bavany. | For in thee, O Lord, do I hope: thou wilt hear, O Lord my God. |
| 16 | Fa ianao no antenaiko Jehovah ô; ianao no hamaly, ry Tompo Andriamanitra ô. | For I said, Hear me, lest otherwise they should rejoice over me: when my foot slippeth, they magnify themselves against me. |
| 17 | Fa hoy izaho: sao dia hifalian’ izy ireo anie aho; ary raha mibolisatra ny tongotro, dia hirehareha amiko izy. | For I am ready to halt, and my sorrow is continually before me. |
| 18 | Fa efa ho lavo aho, ary ny fanaintainako dia tsaroako mandrakariva. | For I will declare mine iniquity; I will be sorry for my sin. |
| 19 | Fa ny heloko no hambarako; matahotra aho noho ny fahotako. | But mine enemies are lively, and they are strong: and they that hate me wrongfully are multiplied. |
| 20 | Fa ny fahavaloko velona ihany sady mahery; ary maro no mandrafy ahy tsy ahoan-tsy ahoana; | They also that render evil for good are mine adversaries; because I follow the thing that good is. |
| 21 | Ary mamaly ratsy ny soa izy ireo ka mandrafy ahy ho valin’ ny fanarahako ny tsara. | Forsake me not, O Lord: O my God, be not far from me. |
| 22 | Aza mahafoy ahy, Jehovah ô; Ry Andriamanitro ô, aza manalavitra ahy. | Make haste to help me, O Lord my salvation. |
| 23 | Faingàna hamonjy ahy, ry Tompo, Mpamonjy ahy ô. | — |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL