시편 26편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 12절
- 1 Tsarao aho, Jehovah ô, fa mandeha amin’ ny fahamarinako aho; ary Jehovah no itokiako, ka tsy miahanahana aho.
- 2 Diniho aho, Jehovah ô, ka fantaro; izahao toetra ny voako sy ny foko.
- 3 Fa ny famindram-ponao no eo anoloan’ ny masoko; ary mandeha amin’ ny fahamarinanao aho.
- 4 Tsy mba miara-mipetraka amin’ ny olon-dratsy aho, na manan-draharaha amin’ ny olom-petsy.
- 5 Halako ny fiangonan’ ny mpanao ratsy; ary tsy miara-mipetraka amin’ ny ratsy fanahy aho.
- 6 Manasa ny tanako noho ny fahamarinako aho, ka te-hitoetra eo akaikin’ ny alitaranao, Jehovah ô,
- 7 Mba hanao feo fiderana, ka hilaza ny asanao mahagaga rehetra.
- 8 Jehovah ô, tiako ny trano itoeranao, dia ny fonenan’ ny voninahitrao.
- 9 Aza mitondra ny fanahiko hiara-maty amin’ ny mpanota, na ny aiko amin’ ny mpandatsa-drà,
- 10 Izay misy fitaka eny an-tànany, ary feno kolikoly ny tànany ankavanana.
- 11 Fa izaho kosa dia mandeha amin’ ny fahamarinako; avoty sy amindrao fo aho.
- 12 Ny tongotro mijoro eo amin’ ny tany marina; eo am-piangonana no isaorako an’ i Jehovah.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗