로그인

시편 26편 Baiboly Malagasy (1865)

Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 12절 · 대역: King James Version

절Baiboly Malagasy (1865)King James Version
1 Tsarao aho, Jehovah ô, fa mandeha amin’ ny fahamarinako aho; ary Jehovah no itokiako, ka tsy miahanahana aho. Judge me, O Lord; for I have walked in mine integrity: I have trusted also in the Lord; therefore I shall not slide.
2 Diniho aho, Jehovah ô, ka fantaro; izahao toetra ny voako sy ny foko. Examine me, O Lord, and prove me; try my reins and my heart.
3 Fa ny famindram-ponao no eo anoloan’ ny masoko; ary mandeha amin’ ny fahamarinanao aho. For thy lovingkindness is before mine eyes: and I have walked in thy truth.
4 Tsy mba miara-mipetraka amin’ ny olon-dratsy aho, na manan-draharaha amin’ ny olom-petsy. I have not sat with vain persons, neither will I go in with dissemblers.
5 Halako ny fiangonan’ ny mpanao ratsy; ary tsy miara-mipetraka amin’ ny ratsy fanahy aho. I have hated the congregation of evil doers; and will not sit with the wicked.
6 Manasa ny tanako noho ny fahamarinako aho, ka te-hitoetra eo akaikin’ ny alitaranao, Jehovah ô, I will wash mine hands in innocency: so will I compass thine altar, O Lord:
7 Mba hanao feo fiderana, ka hilaza ny asanao mahagaga rehetra. That I may publish with the voice of thanksgiving, and tell of all thy wondrous works.
8 Jehovah ô, tiako ny trano itoeranao, dia ny fonenan’ ny voninahitrao. Lord, I have loved the habitation of thy house, and the place where thine honour dwelleth.
9 Aza mitondra ny fanahiko hiara-maty amin’ ny mpanota, na ny aiko amin’ ny mpandatsa-drà, Gather not my soul with sinners, nor my life with bloody men:
10 Izay misy fitaka eny an-tànany, ary feno kolikoly ny tànany ankavanana. In whose hands is mischief, and their right hand is full of bribes.
11 Fa izaho kosa dia mandeha amin’ ny fahamarinako; avoty sy amindrao fo aho. But as for me, I will walk in mine integrity: redeem me, and be merciful unto me.
12 Ny tongotro mijoro eo amin’ ny tany marina; eo am-piangonana no isaorako an’ i Jehovah. My foot standeth in an even place: in the congregations will I bless the Lord.

Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL