시편 25편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 22절
- 1 Aminao, Jehovah ô, no anandratako ny fanahiko.
- 2 Andriamanitro ô, Hianao no itokiako, aoka tsy ho menatra aho; aoka tsy hifalian’ ny fahavaloko aho.
- 3 Eny, tsy hisy ho menatra izay rehetra miandry Anao; fa izay mivadika foana no ho menatra.
- 4 Ampahafantaro ny lalanao aho, Jehovah ô; ampianaro ny sitrakao aho.
- 5 Tariho amin’ ny fahamarinanao aho, ka ampianaro; fa Hianao no Andriamanitry ny famonjena ahy; Hianao no andrasako mandritra ny andro.
- 6 Tsarovy ny antranao sy ny indrafonao, Jehovah ô, fa hatrizay hatrizay ireny.
- 7 Aza ny fahotan’ ny fahatanorako, na ny ratsy nataoko, no tsarovanao; fa aoka ho araka ny famindram-ponao no hahatsiarovanao ahy, noho ny fahasoavanao Jehovah ô,
- 8 Tsara sy mahitsy Jehovah, ka izany no ampianarany ny mpanota ny lalana.
- 9 Mitarika ny mpandefitra amin’ ny marina Izy, ary mampianatra ny mpandefitra ny lalany.
- 10 Ny lalan’ i Jehovah rehetra dia famindram-po sy fahamarinana amin’ izay mitandrina ny fanekeny sy ny teni-vavolombelony.
- 11 Noho ny anaranao, Jehovah ô, dia mamelà ny heloko, fa lehibe izany.
- 12 Iza no lehilahy matahotra an’ i Jehovah? Izy no hampianariny izay lalana tokony hofidiny.
- 13 Ny fanahiny hitoetra amin’ ny soa; ary ny taranany handova ny tany.
- 14 Ny fisainan’ i Jehovah asehony amin’ izay matahotra Azy, ary ny fanekeny no hampahafantariny azy.
- 15 Ny masoko mijery an’ i Jehovah mandrakariva; fa Izy no nanafaka ny tongotro tamin’ ny fandrika harato.
- 16 Todiho aho, ka amindrao fo, fa irery aho ka mahantra.
- 17 Ny fahorian’ ny foko efa mihalehibe; afaho amin’ ny fahatereko aho.
- 18 Jereo ny fahoriako sy ny mavesatra amiko, ka mamelà ny fahotako rehetra.
- 19 Jereo ny fahavaloko, fa maro izy; ary loza ny fankahalàny ahy.
- 20 Arovy ny fanahiko, ka vonjeo aho; aoka tsy ho menatra aho, fa mialoka aminao.
- 21 Aoka ny tsi-fisian-tsiny sy ny fahitsiana no hiaro ahy; fa miandry Anao aho.
- 22 Andriamanitra ô, afaho ny Isiraely, amin’ ny fahoriany rehetra.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗