로그인

시편 27편 Baiboly Malagasy (1865)

Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 14절

  1. 1 Jehovah no fahazavako sy famonjena ahy; iza no hatahorako? Jehovah no fiarovana mafy ho an’ ny aiko; iza no hangovitako?
  2. 2 Raha manatona ahy hihinana ny nofoko ny ratsy fanahy, izay fahavaloko sy rafilahiko, dia izy ihany no tafintohina ka lavo.
  3. 3 Na dia misy antokony mitoby hiady amiko aza, tsy hatahotra ny foko; na dia misy ady mihatra amiko aza, dia hatoky ihany aho.
  4. 4 Zavatra iray loha no nangatahiko tamin’ i Jehovah, izany no hotadiaviko, dia ny hitoetra ao an-tranon’ i Jehovah amin’ ny andro rehetra hiainako, mba ho faly mijery ny fahasoavan’ i Jehovah sy mandinika ny tempoliny.
  5. 5 Fa hanafina ahy ao an-trano fialofany amin’ ny andro fahoriana Izy; hampiery ahy amin’ ny fierena ao an-dainy Izy; hanandratra ahy ho eny ambony vatolampy Izy.
  6. 6 Koa dia hisandratra ambonin’ ny fahavaloko manodidina ahy ny lohako, ka hanatitra fanatitra hihobiana ao an-dainy aho; hihira sy hankalaza an’ i Jehovah aho.
  7. 7 Mihainoa, Jehovah ô, fa mitaraina mafy aho; ary mamindrà fo amiko, ka valio aho.
  8. 8 Raha hoy Hianao: tadiavonareo ny tavako, dia hoy ny navalin’ ny foko: Eny, ny tavanao no tadiaviko, Jehovah ô;
  9. 9 Aza manafina ny tavanao amiko, aza mandroaka ny mpanomponao an-katezerana; efa famonjena ahy Hianao; aza manary na mahafoy ahy, ry Andriamanitry ny famonjena ahy.
  10. 10 Fa ny raiko aman-dreniko efa nahafoy ahy; fa Jehovah kosa no mandray ahy.
  11. 11 Ampianaro ny lalanao aho, Jehovah ô; ary tariho amin’ ny lalana marina aho noho ny fahavaloko.
  12. 12 Aza manolotra ahy ho amin’ ny sitrapon’ ny mpampahory ahy; fa vavolombelona mandainga sy izay mifofofofo loza no mitsangana hiampanga ahy.
  13. 13 Raha izay re aho no tsy nanantena hahita ny fahasoavan’ i Jehovah amin’ ny tanin’ ny velona.
  14. 14 Miandrasa an’ i Jehovah ianao; matokia, ary aoka hahery ny fonao; eny, miandrasa an’ i Jehovah.

Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗