시편 147편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 20절
- 1 Haleloia; Fa tsara ny mihira ho an’ Andriamanitsika; Eny, mamy sady mendrika ny fiderana.
- 2 Manangana an’ i Jerosalema Jehovah; Mamory ny Isiraely voaroaka Izy.
- 3 Mahasitrana ny torotoro fo Izy Sy mamehy ny feriny.
- 4 Milaza ny isan’ ny kintana Izy: Samy tononiny amin’ ny anarany ireny rehetra ireny.
- 5 Lehibe ny Tompontsika sady be hery; Tsy hita lany ny fahalalany.
- 6 Manandratra ny mpandefitra Jehovah, Fa mampietry ny ratsy fanahy hatramin’ ny tany.
- 7 Mihirà fiderana ho an’ i Jehovah; Mankalazà an’ Andriamanitsika amin’ ny lokanga,
- 8 Izay manaron-drahona ny lanitra, Izay mamboatra ranonorana ho amin’ ny tany, Izay mampaniry ahitra ny tendrombohitra,
- 9 Manome hanina ho an’ ny biby Izy Sy ho an’ ny zana-goaika izay mitaraina.
- 10 Tsy ny herin’ ny soavaly no mahafinaritra Azy, Ary tsy ny tongotry ny olona no sitrany.
- 11 Jehovah mankasitraka izay matahotra Azy, Dia izay manantena ny famindram-pony.
- 12 Mankalazà an’ i Jehovah, ry Jerosalema ô; Miderà an’ Andriamanitrao, ry Ziona ô.
- 13 Fa manamafy ny hidim-bavahadinao Izy, Sady mitahy ny zanakao eo afovoanao.
- 14 Mahatonga ny fari-taninao ho fiadanana Izy; Vokisany vary tsara indrindra ianao.
- 15 Mampandeha ny didiny ho amin’ ny tany Izy; Miely faingana dia faingana ny teniny.
- 16 Mandatsaka oram-panala tahaka ny landihazo Izy; Mampiely fanala tahaka ny lavenona Izy.
- 17 Mandatsaka ny havandrany ta-haka ny sombintsombin-javatra Izy; Iza no maharitra ny hatsiakany?
- 18 Mamoaka ny teniny Izy ka mampiempo ireny; Mampifofofofo ny rivony Izy, dia mandriaka ny rano.
- 19 Milaza ny teniny amin’ i Jakoba Izy Ary ny didiny sy ny fitsipiny amin’ Isiraely.
- 20 Tsy nanao toy izany tamin’ izay firenena hafa Izy; Ary ny fitsipiny tsy mba fantatr’ ireny. Haleloia.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗