시편 147편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 20절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Haleloia; Fa tsara ny mihira ho an’ Andriamanitsika; Eny, mamy sady mendrika ny fiderana. | Praise ye the Lord: for it is good to sing praises unto our God; for it is pleasant; and praise is comely. |
| 2 | Manangana an’ i Jerosalema Jehovah; Mamory ny Isiraely voaroaka Izy. | The Lord doth build up Jerusalem: he gathereth together the outcasts of Israel. |
| 3 | Mahasitrana ny torotoro fo Izy Sy mamehy ny feriny. | He healeth the broken in heart, and bindeth up their wounds. |
| 4 | Milaza ny isan’ ny kintana Izy: Samy tononiny amin’ ny anarany ireny rehetra ireny. | He telleth the number of the stars; he calleth them all by their names. |
| 5 | Lehibe ny Tompontsika sady be hery; Tsy hita lany ny fahalalany. | Great is our Lord, and of great power: his understanding is infinite. |
| 6 | Manandratra ny mpandefitra Jehovah, Fa mampietry ny ratsy fanahy hatramin’ ny tany. | The Lord lifteth up the meek: he casteth the wicked down to the ground. |
| 7 | Mihirà fiderana ho an’ i Jehovah; Mankalazà an’ Andriamanitsika amin’ ny lokanga, | Sing unto the Lord with thanksgiving; sing praise upon the harp unto our God: |
| 8 | Izay manaron-drahona ny lanitra, Izay mamboatra ranonorana ho amin’ ny tany, Izay mampaniry ahitra ny tendrombohitra, | Who covereth the heaven with clouds, who prepareth rain for the earth, who maketh grass to grow upon the mountains. |
| 9 | Manome hanina ho an’ ny biby Izy Sy ho an’ ny zana-goaika izay mitaraina. | He giveth to the beast his food, and to the young ravens which cry. |
| 10 | Tsy ny herin’ ny soavaly no mahafinaritra Azy, Ary tsy ny tongotry ny olona no sitrany. | He delighteth not in the strength of the horse: he taketh not pleasure in the legs of a man. |
| 11 | Jehovah mankasitraka izay matahotra Azy, Dia izay manantena ny famindram-pony. | The Lord taketh pleasure in them that fear him, in those that hope in his mercy. |
| 12 | Mankalazà an’ i Jehovah, ry Jerosalema ô; Miderà an’ Andriamanitrao, ry Ziona ô. | Praise the Lord, O Jerusalem; praise thy God, O Zion. |
| 13 | Fa manamafy ny hidim-bavahadinao Izy, Sady mitahy ny zanakao eo afovoanao. | For he hath strengthened the bars of thy gates; he hath blessed thy children within thee. |
| 14 | Mahatonga ny fari-taninao ho fiadanana Izy; Vokisany vary tsara indrindra ianao. | He maketh peace in thy borders, and filleth thee with the finest of the wheat. |
| 15 | Mampandeha ny didiny ho amin’ ny tany Izy; Miely faingana dia faingana ny teniny. | He sendeth forth his commandment upon earth: his word runneth very swiftly. |
| 16 | Mandatsaka oram-panala tahaka ny landihazo Izy; Mampiely fanala tahaka ny lavenona Izy. | He giveth snow like wool: he scattereth the hoarfrost like ashes. |
| 17 | Mandatsaka ny havandrany ta-haka ny sombintsombin-javatra Izy; Iza no maharitra ny hatsiakany? | He casteth forth his ice like morsels: who can stand before his cold? |
| 18 | Mamoaka ny teniny Izy ka mampiempo ireny; Mampifofofofo ny rivony Izy, dia mandriaka ny rano. | He sendeth out his word, and melteth them: he causeth his wind to blow, and the waters flow. |
| 19 | Milaza ny teniny amin’ i Jakoba Izy Ary ny didiny sy ny fitsipiny amin’ Isiraely. | He sheweth his word unto Jacob, his statutes and his judgments unto Israel. |
| 20 | Tsy nanao toy izany tamin’ izay firenena hafa Izy; Ary ny fitsipiny tsy mba fantatr’ ireny. Haleloia. | He hath not dealt so with any nation: and as for his judgments, they have not known them. Praise ye the Lord. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL