시편 148편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 14절
- 1 Haleloia. Miderà an’ i Jehovah, ry any an-danitra; Miderà Azy any ambony.
- 2 Miderà Azy, ry anjeliny rehetra; Miderà Azy, ry miaramilany rehetra.
- 3 Miderà Azy, ry masoandro amam-bolana; Miderà Azy, ry kintana mazava rehetra.
- 4 Miderà Azy, ry lanitry ny lanitra, Ary ianareo rano ambonin’ ny lanitra.
- 5 Aoka hidera ny anaran’ i Jehovah ireo; Fa Izy no nandidy, dia ary ireo.
- 6 Nampitoetra ireo ho mandrakizay doria Izy; Nomen-dalàna ireo ka tsy mba mihoatra.
- 7 Midera an’ i Jehovah etỳ an-tany, Hianareo dragona sy ianareo rano lalina rehetra,
- 8 Ny afo sy ny havandra, ny oram-panala sy ny zavona, Ny rivotra mahery izay mankatò ny teniny,
- 9 Ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra, Ny hazo fihinam-boa sy ny sedera rehetra,
- 10 Ny bibi-dia sy ny biby fiompy rehetra, Ny biby mandady na mikisaka ary ny voro-manidina,
- 11 Ny mpanjaka amin’ ny tany sy ny vahoaka rehetra, Ny mpanapaka sy ny mpitsara rehetra amin’ ny tany,
- 12 Na ny zatovolahy, na ny zatovovavy, Na ny antitra, na ny tanora,
- 13 Samia midera ny anaran’ i Jehovah avokoa, Fa ny anarany ihany no misandratra; Ambonin’ ny tany sy ny lanitra ny voninahiny.
- 14 Ary manandratra tandroka ho an’ ny olony Izy, Dia fiderana ho an’ ny olony masìna rehetra, Eny, ho an’ ny Zanak’ Isiraely, firenena akaiky Azy. Haleloia.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗