시편 146편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 10절
- 1 Haleloia. Miderà an’ i Jehovah, ry fanahiko.
- 2 Hidera an’ i Jehovah aho, raha mbola miaina koa; Eny, hankalaza an’ Andriamanitra aho, raha mbola velona koa.
- 3 Aza matoky ny lehibe, Na ny zanak’ olombelona izay tsy mahavonjy.
- 4 Miala ny fofonainy, ka miverina ho amin’ ny taniny izy; Ary amin’ izay indrindra no hahafoanan’ ny fikasany.
- 5 Sambatra izay manana an’ Andriamanitr’ i Jakoba ho Mpanampy azy Sady manantena an’ i Jehovah Andriamaniny,
- 6 Izay nanao ny lanitra sy ny tany, Ny ranomasina sy izay rehetra ao anatiny, Izay mitandrina fahamarinana mandrakizay,
- 7 Izay manome rariny ho an’ ny ampahoriana, Izay manome hanina ho an’ ny noana. Jehovah mamaha ny mpifatotra;
- 8 Jehovah mampahiratra ny jamba Jehovah mampitraka ny mitanondrika; Jehovah tia ny marina;
- 9 Jehovah miaro ny vahiny Ary manandratra ny kamboty sy ny mpitondratena, Fa mamadika ny lalan’ ny ratsy fanahy kosa.
- 10 Manjaka mandrakizay Jehovah, Hatramin’ ny taranaka fara mandimby Andriamanitrao, ry Ziona. Haleloia.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗