시편 146편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 10절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Haleloia. Miderà an’ i Jehovah, ry fanahiko. | Praise ye the Lord. Praise the Lord, O my soul. |
| 2 | Hidera an’ i Jehovah aho, raha mbola miaina koa; Eny, hankalaza an’ Andriamanitra aho, raha mbola velona koa. | While I live will I praise the Lord: I will sing praises unto my God while I have any being. |
| 3 | Aza matoky ny lehibe, Na ny zanak’ olombelona izay tsy mahavonjy. | Put not your trust in princes, nor in the son of man, in whom there is no help. |
| 4 | Miala ny fofonainy, ka miverina ho amin’ ny taniny izy; Ary amin’ izay indrindra no hahafoanan’ ny fikasany. | His breath goeth forth, he returneth to his earth; in that very day his thoughts perish. |
| 5 | Sambatra izay manana an’ Andriamanitr’ i Jakoba ho Mpanampy azy Sady manantena an’ i Jehovah Andriamaniny, | Happy is he that hath the God of Jacob for his help, whose hope is in the Lord his God: |
| 6 | Izay nanao ny lanitra sy ny tany, Ny ranomasina sy izay rehetra ao anatiny, Izay mitandrina fahamarinana mandrakizay, | Which made heaven, and earth, the sea, and all that therein is: which keepeth truth for ever: |
| 7 | Izay manome rariny ho an’ ny ampahoriana, Izay manome hanina ho an’ ny noana. Jehovah mamaha ny mpifatotra; | Which executeth judgment for the oppressed: which giveth food to the hungry. The Lord looseth the prisoners: |
| 8 | Jehovah mampahiratra ny jamba Jehovah mampitraka ny mitanondrika; Jehovah tia ny marina; | The Lord openeth the eyes of the blind: the Lord raiseth them that are bowed down: the Lord loveth the righteous: |
| 9 | Jehovah miaro ny vahiny Ary manandratra ny kamboty sy ny mpitondratena, Fa mamadika ny lalan’ ny ratsy fanahy kosa. | The Lord preserveth the strangers; he relieveth the fatherless and widow: but the way of the wicked he turneth upside down. |
| 10 | Manjaka mandrakizay Jehovah, Hatramin’ ny taranaka fara mandimby Andriamanitrao, ry Ziona. Haleloia. | The Lord shall reign for ever, even thy God, O Zion, unto all generations. Praise ye the Lord. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL