시편 145편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 21절
- 1 Hanandratra Anao aho, ry Andriamanitro Mpanjaka ô, Sy hankalaza ny anaranao mandrakizay doria.
- 2 Hankalaza Anao isan’ andro aho sy hidera ny anaranao mandrakizay doria.
- 3 Lehibe Jehovah ka tokony hoderaina indrindra; Ary tsy takatry ny saina ny fahalehibiazany.
- 4 Ny taranaka rehetra samy hidera ny asanao amin’ izay mandimby azy Sy hanambara ny asanao lehibe.
- 5 Ny lazan’ ny voninahitry ny fiandriananao Sy ny asanao mahagaga no hosaintsainiko.
- 6 Ny herin’ ny asanao mahatahotra no hotenenin’ ny olona; Ary ny fahalehibiazanao no holazaiko.
- 7 Hanonona ny fahatsiarovana ny haben’ ny fahatsaranao izy Sy hihoby ny fahamarinanao.
- 8 Mamindra fo sy miantra Jehovah; Mahari-po sady be famindram-po Izy.
- 9 Manisy soa izao tontolo izao Jehovah; Ary ny fiantràny dia eny amin’ ny asany rehetra.
- 10 Jehovah ô, midera Anao ny asanao rehetra; Ary ny olonao masìna misaotra Anao.
- 11 Milaza ny voninahitry ny fanjakanao izy Sady miresaka ny herinao,
- 12 Mba hampahafantarina ny zanak’ olombelona ny herinao Sy ny haben’ ny voninahitry ny fanjakanao.
- 13 Fanjakana mandrakizay ny fanjakanao, Ary hitatra amin’ ny taranaka fara mandimby ny fanapahanao.
- 14 Jehovah manohana izay rehetra efa ho lavo Sy mampitraka izay rehetra mitanondrika.
- 15 Ny mason’ izao rehetra izao miandrandra Anao, Ary Hianao manome azy ny haniny amin’ ny fotoany.
- 16 Manokatra ny tananao Hianao Ka mahavoky soa ny zava-miaina rehetra.
- 17 Marina Jehovah amin’ ny lalany rehetra, Sady mamindra fo amin’ ny asany rehetra.
- 18 Jehovah dia eo akaikin’ izay rehetra miantso Azy, Dia izay rehetra miantso Azy marina tokoa.
- 19 Hanefa ny irin’ izay matahotra Azy Izy Ary hihaino ny fitarainany ka hamonjy azy.
- 20 Miaro izay rehetra tia Azy Jehovah; Fa ny ratsy fanahy rehetra kosa haringany.
- 21 Ny fiderana an’ i Jehovah no hotenenin’ ny vavako; Ary aoka ny nofo rehetra hankalaza ny anarany masìna mandrakizay doria.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗