시편 140편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 13절
- 2 Jehovah ô, vonjeo amin’ ny olon-dratsy aho, Ary arovy amin’ ny olon-dozabe,
- 3 Izay mihevitra ratsy ao am-pony Ka manangana ady isan’ andro
- 4 Mandranitra ny lelany tahaka ny bibilava izy, Ny poizin’ ny menarana no ao ambanin’ ny molony. [Sela.]
- 5 Jehovah ô, vonjeo amin’ ny tanan’ ny ratsy fanahy aho, Ary arovy amin’ ny olon-dozabe, Izay efa nihevitra handronjina ahy ho potraka.
- 6 Ny mpiavonavona efa nanafina fandrika sy kofehy hamandrihany ahy; Efa namela-pandrika harato teo amoron-dalana izy; Nametraka tadivavarana hahazoany ahy izy.
- 7 Hoy izaho tamin’ i Jehovah Andriamanitro Hianao; Henoy ny feon’ ny fifonako, Jehovah ô!
- 8 Jehovah, Tompo ô, ry Herin’ ny famonjena ahy, Manarona ny lohako amin’ ny andro fiadiana Hianao.
- 9 Jehovah ô, aza manome ny irin’ ny ratsy fanahy; Ary aza avela ho tanteraka ny hevi-dratsiny, fandrao hisandratra izy. [Sela.]
- 10 Ny lohan’ izay manemitra ahy Dia aoka hosaronan’ ny ratsy tononin’ ny molony.
- 11 Aoka hisy vain’ afo halatsaka aminy; Aoka hariana any anaty afo izy, na any amin’ ny rano lalina, ka tsy hiarina intsony.
- 12 Tsy hampitoerina amin’ ny tany ny olo-mahay vava; Henjehin-doza ny olon-dozabe ka ho lavo.
- 13 Fantatro fa Jehovah no handahatra ny tenin’ ny mahantra Sady hanome rariny ho an’ ny malahelo.
- 14 Eny tokoa, ny marina hisaotra ny anaranao; Hitoetra eo anatrehanao ny mahitsy.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗