시편 140편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 13절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | — | Deliver me, O Lord, from the evil man: preserve me from the violent man; |
| 2 | Jehovah ô, vonjeo amin’ ny olon-dratsy aho, Ary arovy amin’ ny olon-dozabe, | Which imagine mischiefs in their heart; continually are they gathered together for war. |
| 3 | Izay mihevitra ratsy ao am-pony Ka manangana ady isan’ andro | They have sharpened their tongues like a serpent; adders’ poison is under their lips. Selah. |
| 4 | Mandranitra ny lelany tahaka ny bibilava izy, Ny poizin’ ny menarana no ao ambanin’ ny molony. [Sela.] | Keep me, O Lord, from the hands of the wicked; preserve me from the violent man; who have purposed to overthrow my goings. |
| 5 | Jehovah ô, vonjeo amin’ ny tanan’ ny ratsy fanahy aho, Ary arovy amin’ ny olon-dozabe, Izay efa nihevitra handronjina ahy ho potraka. | The proud have hid a snare for me, and cords; they have spread a net by the wayside; they have set gins for me. Selah. |
| 6 | Ny mpiavonavona efa nanafina fandrika sy kofehy hamandrihany ahy; Efa namela-pandrika harato teo amoron-dalana izy; Nametraka tadivavarana hahazoany ahy izy. | I said unto the Lord, Thou art my God: hear the voice of my supplications, O Lord. |
| 7 | Hoy izaho tamin’ i Jehovah Andriamanitro Hianao; Henoy ny feon’ ny fifonako, Jehovah ô! | O God the Lord, the strength of my salvation, thou hast covered my head in the day of battle. |
| 8 | Jehovah, Tompo ô, ry Herin’ ny famonjena ahy, Manarona ny lohako amin’ ny andro fiadiana Hianao. | Grant not, O Lord, the desires of the wicked: further not his wicked device; lest they exalt themselves. Selah. |
| 9 | Jehovah ô, aza manome ny irin’ ny ratsy fanahy; Ary aza avela ho tanteraka ny hevi-dratsiny, fandrao hisandratra izy. [Sela.] | As for the head of those that compass me about, let the mischief of their own lips cover them. |
| 10 | Ny lohan’ izay manemitra ahy Dia aoka hosaronan’ ny ratsy tononin’ ny molony. | Let burning coals fall upon them: let them be cast into the fire; into deep pits, that they rise not up again. |
| 11 | Aoka hisy vain’ afo halatsaka aminy; Aoka hariana any anaty afo izy, na any amin’ ny rano lalina, ka tsy hiarina intsony. | Let not an evil speaker be established in the earth: evil shall hunt the violent man to overthrow him. |
| 12 | Tsy hampitoerina amin’ ny tany ny olo-mahay vava; Henjehin-doza ny olon-dozabe ka ho lavo. | I know that the Lord will maintain the cause of the afflicted, and the right of the poor. |
| 13 | Fantatro fa Jehovah no handahatra ny tenin’ ny mahantra Sady hanome rariny ho an’ ny malahelo. | Surely the righteous shall give thanks unto thy name: the upright shall dwell in thy presence. |
| 14 | Eny tokoa, ny marina hisaotra ny anaranao; Hitoetra eo anatrehanao ny mahitsy. | — |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL